Noho ny gripa : mandeha ny varotra fanafody

Milahatra mividy fanafody gripa avokoa ny ankamaroan’ny olona, eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra teny amin’ireo trano fivarotam-panafody “Pharmacie”, izany. Ara­ka ny fanadihadiana natao, ireo fanafody mampitombo hery fiarovana sy izay mampidina hafanana no tena mandeha sy tadiavin’ireo mpanjifa.
Nilaza ny dokotera fa mi­rongatra tanteraka ny gripa eto amintsika ankehitriny, noho ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ireo olona, tsy nahavita vaksiny fanefitry ny valanaretina Covid-19 ara-dalàna. “Mila mitandrina ihany ny Mala­gasy rehetra amin’ny zava-miseho ankehitriny. Ilaina ny manatona ny tobim-pahasalamana (CSB II), raha toa ka misy zavatra mitranga hafahafa amin’ny vatana.” hoy i Hasina, mpitsabo.
Marihina fa tsy ilana ta­ratasy fanamarinana na “or­donnance” ireo fanafody mi­ady amin’ny gripa, toy ny vi­tamina, ny “Paraceta­mol”, ary ny “Doliprane”. Na izany aza, mitaky izany kosa ireo antibiotika. Ani­san’izany ny “amoxicilline” sy ny “ampicilline” sy ny maro hafa.

Fitia (Mpianatra Asa)

Partager sur: