“Amin’izao fotoana izao aloha, tsy manana ahiahy ny amin’ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara izahay. Velona sy mihetsika ny fiainana politika eto. Izay. Miara-miasa ny rehetra mba hanamafisana ny fandriampahalemana”, hoy ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, taorian’ny atrikasa teny Ivandry, afakomaly, momba ny toe-draharaham-pirenena, taorian’ny fitsipaham-pitokisana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fitsipiham-pitokisana : nisy lainga sy fitaka ny amin’ny fanaovan-tsonia
Tsy nisy ny tsy fahatomombanana tamin’ny fanaovan-tsonia ny fikasana hanaovana latsa-bato ny fitsapaham-pitokisana, fa zavatra noforonina ary natao niharihary teo imason’ny vahoaka ny lainga sy ny famitahana tamin’izany, araka ny fanazavan’ny avy amin’ny vondrona parlemantera GPR, ny depiote tsy miankina voafidy tany Vangaindrano, Raharisoa Johasy Eléonore, momba ny fanangonan-tsonia tamin’iny […]
“Raharaha volamena 73, 5 kg”: nohenoin’ny Pac ireo vavolombelona miisa 80
Nitohy omaly ary mety ho nandoaka alina ny fiakaran’ny “Raharaha volamena 73,5 kg”, naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha. Nohenoin’ny mpitsara avokoa ireo vavolombelona maromaro. Miisa 80 ireo vavolombelona nohenoin’ny teo anivon’ny fampanoavana. Eo ireo najoro, naneho ny fiarovana […]
CUA sy ny mpivarotra : miray feo ho an’Antananarivo madio sy milamina
Notanterahina tetsy amin’ ny Tranompokonolona Analakely, ny alarobia teo, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpivarotra miisa sivy (Andravoahangy, Ambohimanarina, Anjomakely, Ambohijatovo, Andrianjaka, Tsimialonjafy, Ampasampito, Anosibe). Fanehoana fahavononana hanome tanana an’Antananarivo amin’ny fomba fandaminana rehetra sy ny fanatsarana ary ny hanovana ny rafitra sy ny […]
“Maison Blanche” : noraisin’ny filoha amerikanina ny filoha Rajoelina
Anisan’ny niavaka amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika ny nandraisan’ny filoha Amerikanina, Joe Biden ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny “Maison Blanche” any Washington. Dinika manokana natao, mialoha ny fivoriana iaharana tamin’ny ireo filoham-panjakana avy amin’ny firenena afrikanina efatra hafa, anisan’ny hikarakara fifidianana amin’ny herintaona. Nambaran’ny filoha Amerikanina […]