Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny tolotra omen’ny biraom-panjakana sy ny sehatrasa samihafa ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Manohy ny asany amin’ny fanatsarana izany ho an’ny dahalobe, amin’ny alalan’ny IA sy ny fanovana niomerika, i Madagasikara. Nitondra ny feon’ny firenena momba ny fanovana niomerika sy ny fampiasana ny IA ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsena iraisam-pirenena: Nidina ho 60 dolara ny vidin-tsolika iray barila
Tsy nitsaha-nidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny 15 janoary 2025 teo. Tena manaraka an’izay ve ny eto Madagasikara ? Nanome toromarika ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mifandraika amin’ny fampindramam-bola Fec* sy ny FRD** ho an’i Madagasikara. Anisan’izany ny hanarahan’ ny eto amintsika ny fiovaovan’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena. Raha ny […]
TARATRY ny KANTO
Hatao ny 17 mey izao ny “Festival made in Germany”. Hetsika iray ho fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Allemagne izy ity, izay karakarain’ny fikambanana “Les amis de l’Allemagne”. Hatao ao amin’ny Villa Berlin Ambatoroka izany, haka endrika hetsika ara-kolontsaina. Hisy fampisehoana karazan-javakanto mandritra io fotoana io. Mialoha izay, hisy […]
Kalon’ny fahiny – Hiran’ny omaly: Hisy ny « Zara sehatra Fetin’ny reny »
Hiavaka amin’ny rehetra! Anisan’ny hanamarika ny « Fetin’ny reny » ny Sehatra Bagasy, amin’ity volana mey ity. « Zara sehatra Fetin’ny reny », hotanterahina ny sabotsy 10 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hira maro hifandraika amin’ny sehatra na tontolo iriariavan’ny reny no hokaloina eny an-toerana, […]
Hiatrika ny « Miss Monde »: Hihazo an’i Inde, anio, i Cyria Olivine
Tsara fiomanana. Vonona tanteraka hiatrika ny fifaninanana “Miss Monde 2025” andiany faha-72, izay hotontosaina any Inde, ny Miss Madagascar 2024. Naka bahana nandritra ny volana maromaro ny “Miss Madagascar 2024”. Vonona ary hanainga anio tolakandro, hihazo an’i Inde, i Cyria Olivine Temagnombe. Any no hotontosaina ny fifaninanana iraisam-pirenena “Miss Monde […]