Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Hafainganina ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Anosibe an’Ala. Nigadona any an-toe­rana, omaly, ny ekipan’ny Jirama hanao ny asa rehetra mahakasika izany. Tsiahivina fa may nandritra ny haintrano nitranga tao amin’ny fokontany Ambaniandrano Ambany ny vata mpanova herinaratra manana tanjaka 100 KVA. Ity farany izay miantoka ny 70% ny fama­tsiana […]

Fanajana ny fenitra : Manamafy ny fifaninanan’ny vokatra malagasy

Antoka mampiroborobo ny vokatra malagasy eny amin’ny tsena anatiny sy ivelany ny fanarahana fenitra sy ny fa­natsarana ny kalitao. Nivoitra izany nandritra ny fankala­zana ny Andro iraisam-pire­nena momba ny fenitra, omaly. Hetsika niarahan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana sy ny Biraon’ny fenitra eto Madagasikara (BNM), tohanan’ny PA Zlecaf. “Manampy ny […]

Fambolena : Hahaleo tena ara-bary isika amin’ny taona 2028

Nankalazaina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny sakafo (JMA). Nisy ny hetsika natao tetsy amin’ny tokotanin’ ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny 15 oktobra. Lohahevitra noraisina ny hoe « Manavao ny fomba famoka­rana anio, ho fiantohana ny sakafo rahampitso ». Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramino Gaetan, fa […]

Fifandraisan-davitra : Ny 15% ny Malagasy ihany no mampiasa internet

Namoaka tatitra ny Vovonana GSMA, ivondronan’ireo mpandraharaha amin’ny finday efatra eto Madagasikara. Anisan’ny navoitrany fa ilaina ny fanovana ny paikadin’ny fanjakana mba hampiroboroboana ny toekarena niome­rika eto Madagasikara. Notaterin’ny GSMA ireo fivoarana nampiroboroboana ny fotodrafitrasa amin’ny fifandraisan-davitra. Fa eo koa ny sakana mahatonga ny tolotra niomerika mbola voafetra ho an’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny fito tapitrisa, hatreto, ireo voaso­ratra anarana anaty lisi-pifidianana, araka ny tatitry ny Ceni, omaly. Tamin’ny alalan’ny fitsidihana tokantrano ny 93,23% tamin’izany. Maro anisa ny vehiavavy, nahatratra 51,19%, raha 48,81% kosa ny lehilahy. Ny sokajin-taona 36 ka hatramin’ny 60 taona no betsaka indrindra: 43%. Ohatra ho an’ireo mpitondra firenena Rainan­driamampandry, […]