Efa tena mampisalasala, ankehitriny, ny fahamarinan’io tononkira io. Tena tanindrazan’ny Malagasy tokoa ve i Madagasikara ? Sao mba hafanam-po fotsiny ny hamaliana io fanontaniana io amin’ny hoe : « Eny » fa raha ny tena zava-misy, tsy izay intsony. Na izany na tsy izany, tena an’ny razan’ny Malagasy tokoa ity tany ity raha ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Tantara an-tsary: namoaka ny “Trafika” Rafally sy i Rolling Pen
Velombelombolo indray ny tantara an-tsary. Fantatra fa efa nivoaka ny “Trafika”, tantara an-tsary nifarimbonan’i Rolling Pen sy Rafally. “Tantara noforoniko havoaka an-gazety no niantombohany, kanefa hitako hoe tsara kokoa raha hatao tantara an-tsary. Niantso an’i Rolling Pen amin’ny traikefany eo amin’ny fanoratana tantara aho, satria izy no efa niara-niasa tamiko […]
Niditra hopitaly…: miantso tolo-tanana i Janga Ratah
Efa herinandro maromaro izay no tojo tsy fahasalamana i Janga Ratah. Nihombo hatrany ny aretin’ity mpanakanto ity, ka voatery nampidirina hopitaly etsy Befelatanana izy. “Mila vola ny fitsaboana ka angatahana isika namana mpanakanto, indrindra isika mpankafy azy mba hitondra izay voarambin’ny tanana”, hoy ny fanentanana nataon’i Jaojoby, raha tonga nitsidika […]
RFC andiany faha-17: ho avy i Gérard Jugnot, mpanatontosa sarimihetsika
Manana talenta sy fahaiza-manao ny Malagasy, raha eo amin’ny sarimihetsika. Tsy ampy anefa ny fanofanana sy fifampizarana, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara. Ho fanarenana ny lesoka, hanam-bahiny miavaka ny RFC andiany faha-17. Miditra amin’ny andiany faha 17 ny « Rencontre de Film Court ». Lasa “17ème Madagascourt Film Festival” ny anarany, […]
Depiote Rajoelina Seth: “Kongresy hatao fikaonandoha… ”
“Nandeha ny fikaonandoha nataon’ny Ceni mialoha ny nirosoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Nisy koa ny fikaonandoha momba ny fambolena teny amin’ny CCI Ivato, ny momba ny fampianarana… Maro izay efa natao izay. Fikaonandoha inona indray no mbola hatao?” hoy ny depiote voafidy tany Fianarantsoa I, Rajoelina Seth. […]