Auteur/autrice : Adnews

Seho miavaka : hiaka-tsehatra eny Andoharanofotsy ry Tafaray

Haneho ny talentany eny amin’ny La bella vita, Andoha­ranofotsy, ny Tafaray. Hotan­terahina ny sabotsy izao ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany. Hifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny tarika amin’io fotoana io amin’ny maha “Cabaret” azy. Hitondra ireo hira sy angola gasigasy ary gadona amin’izao fotoana izao izy ireo amin’izany. Eo […]

Fototra avy any Antsihanaka: miangaly ny hira evanjelika ny Groupe Ny Fitia

Hanamarika ny faha-5 taona nijoroany, amin’ny taona 2024 ny Groupe Ny Fitia. Antom-pisian’ny tarika ny hitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny talenta ao anatin’ireo mpikambana. Misy ny mampiavaka ny tarika… … Fivoizana ny ôsika mampiavaka ny faritr’Alaotra. Mi­rona kokoa amin’ny filalaovana sy famolahana ny gadona mihetsika toy ny salegy anatin’ny hira […]

Kolontsaina sy Tantara: angano isan’ny miavaka ny « Mythe d’Ibonia »

Tanterahina eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny sabotsy 25 novambra 2023, ny tafatafa hampahafantarana sy hiresahana ny boky, « Mythe d’Ibonia, le grand Prince » nosoratan’i François Noiret, mpampianatra momba ny haiolombelona, ao anatin’ny hetsika “Café de l’histoire”. Ankoatra ny angano momban’Ibonia, maro ny asa soratra hita ao anatin’ity boky […]

Madagascourt Film Festival: hampiavaka ny hetsika ny fandraisan’ anjaran’ny Bresilianina mpanatontosa

Anisan’ny hetsika lehibe, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika aty Afrika, indrindra eto Madagasikara ny “Madagascourt Film Fes­tival”. Miisa 68 ny mpanatontosa navoakan’ny hetsika ary mbola hitohy ny fampiroboroboana ny sarimihetsika afrikanina, indrindra ny Malagasy. Tanterahina ny 24 novambra 2023, hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny Madagascourt Film […]