Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. […]

Nanao fitsaram-bahoaka : mpivady karohin’ny polisy fatratra

Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy, 38 taona, mpangalatra mangahazo, ny talata lasa teo. Ifampitadiavan’ny polisy ny mpivady, lasibatry ny halatra saingy nahafaty olona. Matin’ny daroky ny tompon’ny mangahazo nan­galariny ny lehilahy 38 taona, ny talata 21 novambra teo. Tao Ambato­lampy, kaominina ambanivohitra Amberomanga, distri­kan’Itasy no nisehoan’izany. Tratra ambodiomby izy ka nanamparan’ireto […]