Auteur/autrice : Adnews

Judo-Tomokazu Iwahori : nifarana ny iraka nataony teto Madagasikara

Niasa an-tsitrapo ho an’ny taranja judo teto Mada­ga­si­kara, ny Sensei Tomokazu Iwahori, ilay mpanazatra teratany japoney. Nandritra ny taona vitsivitsy izy no nanampy ny Federasiona malaga­sin’ny judo, teo amin’ny lafiny teknika sy nanampy ny ekipam-pirenena malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro. Nifarana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izany iraka nataony ho an’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy nandeha namonjy ny filankevitrin’ny fitsipi-pifehezana (CODIS) tany Thailande, ny filo­han’ny Federasiona malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM), Andriamilerovason Amiroudine. Nohamafisiny ihany fa efa nandefa taratasy tany amin’ i Claude Azema, filoha iraisam-pirenenan’ity taranja ity ny tenany amin’ny antony izany. Lavon’i Comores tamin’ny isa 1 no ho 0 i Ghana, ny talata […]

“Orange Pro League” : hanomboka ny volana janoary

Nambaran’ny filohan’ny Clubs de foot-ball élite de Ma­da­gascar, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa ha­nom­boka ny volana janoary 2024, ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka ny efa nambarany, misy ny fanovana hatao amin’ity fifaninanana ity. Anisan’izany ny hampiraisana ireo klioba rehetra mifaninana amin’ny OPL ao anaty […]

Road to BAL – Élite 16: nandresy ny Ferroviario ny Cospn

Nahomby ny ekipan’ny Cospn omaly, nanoloana ny Ferroviario Mozambika. Ao anatin’ny fifanintsanana “Élite 16”, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy tamin’ny isa 88 no ho 57 ny Malagasy. Hatrany am-piandohan’ ny lalao no efa nanantombo ny Cospn ary vo­a­tazony hatramin’ny fiafaran’ ny fihaonana izany […]

Fiombonana : “Tsy tokony hiandry krizy vao hifampiresaka”

“Ilaina ny fifanakalozan-kevitra. Tsy hoe hiandry krizy vao hifampiantso sy hifampiresaka isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fivoahan’ny fironan’ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izao. Betsaka, ohatra, ny tsy ara-dalàna hitan’ny kandidà lah. 13, izay efa avoakany tsikelikely. Midika izany fa tsy maintsy hanohitra ny voka-pifidianana […]