Miandry ny tatitra ofisialy mahakasika ny fifampitifirana teny Andohanimandroseza ny mpanara-baovao. Tsy mbola misy ny vaovao avy amin’ny mpitandro filaminana. Milaza ny tomponandraikitra fa anatin’ny famotorana tanteraka, mandrak’alina. Etsy ankilan’izay, ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera no namoaka fa fiaram-panjakana ilay rotiky ny bala. Ora vitsy taorian’izay, namoaka fanambarana ny teo anivon’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Lehilahy iray mpamily taxi maty ahina namono tena, tao amin’ny Fokontany Ambalatany, omaly maraina. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy saingy voalazan’ny mpiara-monina aminy tamin’ny alalan’ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa nanana olana tao anatin’ny andro vitsy lasa io lehilahy io. Omby an-jatony lasan’ny dahalo mitam-piadiana tao amin’ny […]
Antaninandro : mpangalatra anaty fiara voasambotra
Lehilahy iray mpangalatra anaty fiara mipetraka amoron-dalana nosamborin’ny polisy rehefa tratra teo am-pisokirana ny vatoaratra an’ny fiara iray, tetsy Antaninandro, omaly. Malaza ratsy amin’ny fisian’ny mpangalatra anaty fiara teny an-toerana, nanaovana vela-pandrika io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny teo am-panatanterahana ny asa ratsiny, ny alin’ny alahady 19 novambra teo .Ankoatr’io, voasambotry ny […]
Halatra finday : lahiantitra nolerana zava-maranitra
Finday miisa roa no namonoan’ny jiolahy telo nisaron-tava ny raim-pianakaviana iray, 63 taona, tao Mandiavato. Olona roa hafa naratra, voavely tamin’ny vatan-kazo. Namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ny jiolahy, ny raim-pianakaviana iray. Tao amin’ ny fokontany Antampontsena, kaominina Mandiavato, distrikan’i Miarinarivo no nisehoan’izany, ny alatsinainy teo. Nodakadakan’ny […]




