Nanaovan’ireo jiolahy rotsak’alina, nirefotra ny basy ka lasa ny vola antapitrisany tao amin’ny fokontany Ambondrona, distrikan’Antalaha, ny alin’ny 27 hifoha ny 28 novambra teo. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Ambondrona ireo efatra mirahalahy nirongo basy, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady teo. Notifirin’ireto mpandroba ireto avy hatrany […]
Auteur/autrice : Adnews
Ivato: Bar iray nahitana fonosana rongony maro
Voasambotry ny polisy, omaly tolakandro, ilay lehilahy mpivarotra rongony amina bara eny Ivato. Naharay fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina ifotony teny an-toerana. Vokany, tra-tehaka tamin’io fotoana io ny rongony 16 fonosana. Noentina teny amin’ny polisy avy hatrany ilay lehilahy tao an-toerana. Nambarany nandritra izany fa vehivavy iray no […]
Haondrana an-tsokosoko : sarona ny « corail noir » 80 kilao
Taksiborosy iray nitondra akorandriaka mainty “corail noir” milanja 80 kilao no tra-tehaky ny zandary mpanao sakan-dalana tao Antsirabe, afakomaly. Tokony ho tamin’ ny 11 ora sy sasany alina teo, voasakana teo Vinaninkarena ilay fiara ka voasava avy hatrany. Nandritra izay, tra-tehaka tao anaty valizy miisa roa teny ambony fitoeran’entan’ilay fiara […]
Fanafihana teny amin’ny RN13: vaky loha ilay mpamily taksiborosy
Voatafiky ny dahalo ny olona 11 tao anatin’ny fiara mpitatitra iray nandalo teny amin’ny lalam-pirenena faha-13 hihazo an’i Taolagnaro, afakomaly vao mangiran-dratsy. Nifanehatra tamin’ireo dahalo teo akaikin’ny “Centre Univesitaire régionale Ambovombe” ity fiara mpitatitr’olona ity. Nahazo antso ny zandary ao Ambovombe ka nidina ifotony. Miisa telo ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana […]
Fakana an-keriny : Lavo i Masivelo, atao hazalambo ireo namany
Maty voatifitry ny zandary omaly i Masivelo, dahalo raindahiny mpaka an-keriny sy mpanao halatr’omby ao amin’ny kaominina Brieville. Ankehitriny, atao hazalambo ireo namany rehetra niray tendro taminy. Nitrangana fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Antsapandrano kaominina Brieville, distrikan’i Tsaratanana, ny 18 novambra teo. Tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny 08 ora […]