Velom-panantenana. Tsara ny vokatra raha ny fizahantany teto amintsika, ny volana oktobra teo, no jerena. Maherin’ny 28 450 ireo mpizahatany tonga nitsika an’i Madagasikara. Nampiakatra indray ny toekarena malagasy sy nampidi-bola ho an’ireo mpiantsehatra samihafa. Tao anatin’ny 10 volana, nahatratra 184 824 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ka ny volana […]
Auteur/autrice : Adnews
Farafangana: ho vita ao anatin’ny telo volana ny aérogare
Hiverina hisokatra tsy ho ela ho an’ny besinimaro ny aérogare vaovaon’i Farafangana. Hetsika mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny sidina anatiny izay kasain’ny Madagascar Airlines hatao. Manan-karena eo amin’ny sehatry ny fambolena jirofo sy lavanila ary vokatra fanondrana i Farafangana. Vavahadin’ny faritra Atsimo Atsinanana rahateo ny toerana. Tombony lehibe ahafahan’ireo mpandraharaha sy […]
Mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina : matiantoka vokatry ny toe-draharaha politika
Potika ny fiharian’ireo mpandraharaha sy mpivarotra eny Analakely sy ny manodidina noho ny toe-draharaha politika miseho amin’izao fotoana. Simba ny toekarena, mihena ny fidiram-bola. Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny Analakely noho ny hetsika, toe-draharaha, politika miseho amin’izao fotoana izao. Lasibatra tanteraka ny toekarena ka tsy mampidi-bola na ireo mpandraharaha maro […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga, omaly, tany Ihosy, ny milina mamokatra herinaratra 400 KW. Niaina sy niaritra ny fahatapahan-jiro ny mponina any an-toerana nandritra ny telo volana. Niezaka nitady vahaolana ny Jirama sy ny fanjakana foibe, ka izao voavaha izao ny olana. Ho avy tsy ho ela koa ny milina ho an’i Sakaraha. Haharitra […]
Ida-Fiavota: 1 tapitrisa mahery ny afaka tamin’ny kere
Mahatratra 85 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana (Ida), tahirim-bolan’ny Banky iraisam-pirenena. Napetraka ny fandaharanasa Fiavota, hiadiana amin’ny fahantrana sy ny kere any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Anisan’ny niaina ny mosary, tamin’ny taona 2016, i Volatsarasoa, 33 taona, monina any Malangy, distrika Ambovombe. Nambarany fa « tena mafy […]




