Auteur/autrice : Adnews

Nidaroka zana-bady : renikely nahavanon-doza, naiditra am-ponja

Voatana vonjimaika any am-ponja ny renikely iray nidaroka ka saika nahafaty zaza roa taona latsaka, tao Amba­lamanasy C2, Toamasina, afakomaly. Efa fanaon’io ramatoa io ny mamono tsy am-piheverana an’io zazakely io, raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Matetika nianjadian’ny fampijaliana izy rehefa tsy eo ny rainy. Nofelahan’io renikely io indray ilay zaza […]

TSELATRA

Naiditra am-ponja ny raikely 50 taona nanolana ny zana-badiny 8 taona, tao amin’ny fokontany Soalazaina, kaominina Soalazaina,  distrikan’Amba­ton­drazaka, afakomaly. Efa nampiharany ny filan-dratsiny nandritra ny fotoana naharitra saingy tsy sahy niteny io ankizivavy io. Nitoroka anefa ny fianakavian’ity farany ka izao voasambotra ary nalefa any am-ponja izao ilay raikeliny. Dahalo […]

Oniversite Ankatso: nitokona ny mpianatra, raikitra ny tora-bato

Nanatanteraka fitokonana ny mpianatra teny amin’ny oniversiten’Ankatso, omaly. Notorahan’izy ireo vato ny teny amin’ny manodidina. Tezitra mafy ireo mpianatra mandranto fahalalana eny amin’ny oniverste Ankatso, omaly. Nisy ny tora-bato sy fandoroana kodiarana. Tsy navelan’izy ireo hiakatra any amin’ny faritra misy fampianarana ireo olona rehetra teny tamin’izany. Raha ho fintinina ny […]