Ankehitriny, maro be ireo sokajiana ao anatin’ny valaben’ny soratra. Ao ireo vantanina amin’ny anarana hoe «mpanoratra», misy koa ny ambara fa «poeta». Iraisan’ireo ny fandraisana penina, fanoratana ambony taratasy ary ny famoahana izany ho an’ny mpamaky. Anisan’ny mahavariana kosa ny fitomboan’ny isan’ny mpanoratra sy poeta amin’izao vanim-potoana izao. Midika ho […]
Auteur/autrice : Adnews
« Madajazzcar 2023 »: toerana maro no hisy seho anio
Taorian’ny fanokafana ny andiany faha-34, omaly, tetsy amin’ny IFM Analakely sy tany Antsirabe. Toerana maro no hanatanterahina ny seho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny “Festival International Madajazzcar”, androany. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny eny amin’ny Orchidées Blanches Androhibe, ahitana an’i Tahiry Andriamanoro Trio (Tahiry Andriamanoro, Rado Andriamanantena ary i Fetranirina […]
… Tsy mahita ny ambany maso: Maty hasina i Madagasikara
Mifanilika… Mifampitazana… Mifampiandry kendry tohina… Iainan’ny Malagasy avokoa ireo. Toa samy tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay zava-manjo an’i Madagasikara. Vokatr’ireo, tsy hita ny tena fototr’olana. «Adilahy politika», «Fifandirana politika»… Politika,…Politika… Politika ! Tena izay tokoa ve no mahazo ity Nosy ity sy miteraka olana saro-bahana? Raha mba misokatra kely indray […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fanazarantena teny Mahamasina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny alarobia 4 oktobra lasa teo. Marihina fa ny 9 hatramin’ny 17 oktobra ho avy izao izy ireo, hiatrika ny lalao iraisam-pirenena izay tafiditra anatin’ny “fenêtre FIFA”. Ny ekipam-pirenen’i Mauritanie sy i Bénin no hifanandrina amin’izy ireo amin’izany. Niakatra kianja omaly […]
« World Jiu-Jitsu Championship” : miampy roa ny solontenan’ny Malagasy
Efa miroso amin’ny fampivondronana indray izao ireo Malagasy mpikatroka, hiatrika ny “World Jiu-Jitsu Championship”. Fifaninanana hotanterahina any Abu Dhabi, manomboka ny 1 novambra izao. Raha ny vaovao avy amin’ny federasiona malagasin’ny Jiu-Jitsu, misy mpikatroka mianadahy vonona hianto-tena ka hanampy ny ekipa nasionaly hihazo an’i Abu Dhabi, ahitana an’i Linjo, sokajy […]




