Vonona ny handeha hatramin’ny farany ny kandida laharana fahatelo, Andry Rajoelina. “Tsy misy hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy izy. “Ankehitriny, raha kandidà aho: tsy misy olona na andian’olona na vondron’olona hahasakana antsika tsy hiroso hatramin’ny farany”, hoy ny kandidà n° 3, Rajoelina Andry, tamin’ireo mpanohana azy teny amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Fiara sprinter iray nitsoraka tao ambany tetezana teny Soavina, Atsimondrano, afakomaly alina. Nidoboka tampoka ny fiara, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nivadika ka ny kodiarana no lasa ambony. Navoaka ireo mpandeha ary nentina notsaboina teny anivon’ny CSBII. Maty voatifitra ny jiolahy namaky fiara an’ny manamboninahitra teny Fiadanana, afakomaly alina. […]
TRONDRO NISY POIZINA: olona efatra namoy ny ainy
Olona 4 namoy ny ainy vokatry ny fihinanana trondro nisy poizina tao Tsianisiha, Toliara II, ny 29 septambra teo. Namidy teny an-tsena ireo trondro voapoizina ireo ka nojifain’ny tokantrano vitsivitsy ny alarobia 27 septambra. Olona am-polony nihinana ny trondro. Niteraka tsy fahasalamana ho an’ireo nanjifa izany. Maty ny efatra ary […]
Toamasina : miaramila frantsay matin’ny moto
Maty tsy tra-drano teo amin’ny boulevard Ratsimilaho Toamasina, ny sabotsy teo, i Stewart, 45 taona, teratany malagasy saingy miaramila frantsay miasa sy monina any frantsa. Tonga manao fialantsasatra miaraka amin’ny fianakaviany efa ho volana vitsivitsy ity miaramila frantsay ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Ny talata 26 septambra 2023 hariva […]
Fanafihana Cash point : renim-pianakaviana iray maty notifirin’ny jiolahy
Nitrangana fanafihana mpanao Cash point iray indray teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Teny an-dalana nitsoaka ireo jiolahy no nitifitra renim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray 36 taona manan-janaka efatra, notifirin’ireo jiolahy avy nanafika mpanao Cash point teo Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Jiolahy […]




