Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

An’arivony ireo olona nisitraka ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana teny anivon’ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, nandritra ny telo andro ni­sesy. Nisy ny fandidiana tsotra toy ny hernie sy ny sima, fizahana ny goatra, taovam-pisefoana, vavony sy tsinay… teo koa ny fanarenana ara-batana amin’ny alalan’ny otra. Hanatanteraka fihaonambe ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka […]

Mahajanga: mpianatra 25 mianadahy voafantina handalina ny teny anglisy

Mpianatra 25 mianadahy avy ao Mahajanga no voafantina handray anjara amin’ny fandaharam-pianarana “English Access Microscolar­ship”. Notanterahina tao amin’ ny Lycée Philibert Tsiranana ny fizarana mari-pankasitrahana mifanaraka amin’izany, ny faran’ny herinandro teo. Maharitra roa taona ny fandaharam-pianarana izay tohanan’ny masoivoho Ameri­ka­nina ary tantanin’ny Saint Gabriel Mizara. Mampitombo ny fifankafantarana sy fifanakalozana kolontsaina […]