Andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, omaly. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia. Nambarany tamin’izany ny hanomezan-danja ireo ray aman-dreny sy zokiolona. «Misokatra eo anivon’ny sokajin’olona samihafa ho fandavorariana sy fampiatiana ara-tsosialy sy ara-toekarena», io no lohahevitry ny fanamarihana ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fakana an-kery mateti-pitranga: mampiaka-peo ireo manana toe-tena “varira”
Nanao antso avo ny fikambanana ivondronan’ireo olona manana toe-tena varira. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, nanao fanambarana izy ireo, afakomaly Mitaintaina sy mandry an-driran’antsy, ary mahatsiaro tena ho tsy misy mpiahy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny trangana fakana an-keriny niseho tato ho ato. “Ankilabao ny olona manana toe-tena varira satria […]
11 nalaina an-keriny: jiolahy telo rotiky ny balan’ny zandary
Maty tsy tra-drano ny dahalo mpaka an-keriny telo lahy. Tanàna telo samihafa anatin’ny distrikan’Anjozorobe, no nisehoan’izany. Hetsika nataon’ny zandarimaria ny zoma sy sabotsy lasa teo. Efa ikoizana amin’io asa ratsy io izy ireo ka nahatonga ny hazalambo. Tompon’antoka tamin’ny fanatontosana trangana fakana an-keriny tao amin’ ny kaominina Amparatanjona sy tao […]
Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina : “Aoka tsy hatao sorona Antananarivo…”
Niantso ny mponin’Antananarivo ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana, mba ho sarotiny sy ho saro-piaro amin’ny renivohitr’i Madagasikara. Nolazainy fa misy mikasa hanao an’Antananarivo ho kianjan’ny korontana sy ny tetika ara-politika indray. “Miantso antsika, fa indrindra ny vahoaka, mba tsy hanaiky izay rehetra mety ho fitarihana amin’ny […]
Tovolahy voatifitra : vovo-bolamena voaroba, 9 tapitrisa Ariary very
Naratra mafy, voatifitra teo amin’ny loha sy ny fitombenany ny lehilahy mpanao afera. Lasan’ny jiolahy ny vola 9 000 000 Ar sy ny vovo-bolamena 61 gr. Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina, voaroba ny vola mitetina 9 500 000 Ar niaraka tamin’ny vovo-bolamena 61 grama. Lasibatra ny mpisera roa lahy tao Ambatonakanga, fokontany Fiherenantsoa, kaominina Sahatsiho/Ambohimanjaka, ny alin’ny […]




