Mandeha tsimoramora ny fikarakarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, hatao ny volana novambra ho avy izao. Efa samy maharay tsikelikely ny karatra ahafahana mandatsa-bato sy mirotsaka ho fidina ny isam- batan’olona. Ny mpanao fampielezan-kevitra savaranonando, manohy ny fitetezam-paritra. Hatramin’ny kandidà milaza fa manohitra ilay fifidianana aza anefa mihaona sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanamorana nataon’ny ACM : afaka manafatra angidimby avokoa ny kandidà
Nitondra fanazavana momba ny fahazoan’ireo kandidà mampiditra angidimby ny tale jeneralin’ny ACM, i Damasy Gervais, omaly, teny Tsimbazaza. Efatra ireo kandidà efa nangataka sy nahazo alalana hanafatra izany hatramin’izao. Nambarany tamin’izany fa nofoanana ilay fe-potoana roa volana mialoha afahana manao ny fangatahana ahazoana manafatra izany. “Noraisina izany fepetra manokana izany […]
Manakara : telo lahy nahatrarana rongony 22 gony
Nifanena tamin’ny zandary sy ny fokonolona nanao fanarahan-dia, ny mpâmongady rongony telo lahy sarona tao amin’ny kaominina Analavory, distrikan’i Manakara, afakomaly. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana izy ireo. Nanao ny asa tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia dahalo mpangalatra omby ny fokonolona sy ny zandary. Tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fihetsika […]
TSELATRA
Niakatra fitsarana omaly, tao amin’ny efitra fahadimy, Lapan’ny Fitsarana Anosy, ny raharaha Ntsoa VHF. Tonga tao an-toerana ireo voampanga ka anisan’izany ilay renim-pianakaviana iray voalaza fa sakaizan’i Ntsoa. Teo koa ilay mpamily sy ireo niray tsikombakomba taminy. Nahemotra amin’ny fotoam-pitsarana manaraka izany satria tsy tomombona ny pitsopitsony ara-pitsarana teo amin’ny […]
Mpirafivavy niady an-tsena: raim-pianakaviana voatsatok’antsy
Naratra mafy ny lehilahy iray, voatsatoka antsy tamin’ny talata alina. Telo andro taorian’ny niadiavan’ny vehivavy roa samy sakaizany teny an-tsena. Asa, misy ifandraisany izany ? Tovovavy roa mpirafivavy samy sakaizana raim-pianakaviana iray no nifandramatra sy nifampitolona, tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tamin’ny sabotsy. Nitangorona ny fokonolona nahita azy ireo nifampisaringo-bolo sy […]




