Auteur/autrice : Adnews

FEPA : mila jerena ny paikadim-pamokarana

Fototra manome asa sy andry iankinan’ny toekarena ny famokarana eto Madagasikara. Maro ny ezaka vita saingy mbola betsaka ny tokony hatao hampiroboroboana ny seha-pihariana momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ilaina ny paikadim-pamokarana ka manao antso avo amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo mpiantsehatra rehetra hamahana ny olan’ny tantsaha. […]

Fambolen-kazo 2024 : manohana ny VOI Ambohibary Moramanga ny Sumitomo

Manomana sahady ny taom-pambolenkazo 2023-2024 ny orinasa Sumitomo. Manome masomboly sy kojakojan-janakazo ho an’ny VOI miisa efatra any amin’ny kaominina Ambohibary Moramanga izy ireo. Natolotra ny Vondrona olona ifotony (VOI) any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Mora­manga, ny 27 septambra teo, ny fitaovana fikarakarana zanakazo sy ny fampisehoana ny fanamboarana fatana […]

Voly Vétiver : manampy amin’ny fikajiana ny loharano tsy ho ritra

Ahitra maniry sy ambolena izay efa miparitaka amin’ny faritra maro maneran-tany ny Vétiver. Mitondra soa eo amin’ny tontolo iainana sy ho an’ ny fahasalaman’ny olombelona koa izy io. Ahitana izany ny any Inde, izay faritra niaviany, i Chine, Malaisie, Haïti, amin’ny ranomasimbe Indianina ary atsimon’i Afrika. Efa ahitana izany maniry […]

FANTINA sy FINTINA

Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronon’ireo mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta teny Mahazoarivo, ny iraky ny ONU, tarihin’i Parfait Onanga-Anyanga. Naharitra ora 2 ny fihaonana momba ny ho fiatrehana ny fifidianana. Nihaona tamin’izy ireo koa avy eo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Niaraha-nidinika ireo dingana samihafa amin’ny zotram-pifidianana. […]

FFKM : nihaona tamin’ireo filohan’Andrimpanjakana

Nifanesy noraisin’ny eo anivon’ny FFKM, tetsy Am­pandrana, omaly, ireo lehibena Andrimpanjakana. Samy noferana 30 mn avy izany fihaonana izany. Niditra voalohany, ny filohan’ny Antenimi­e­randoholona, Razafimahefa Herimanana. Tsy azo ihodivirana fa ny antony tsy nandraisany ilay fahefana ka namindrana izany any amin’ny governemanta ifarimbonana no votoatin’ny fihaonan’izy ireo. Nitohy amin’ny fandrai­san’ny […]