Hiavaka tanteraka ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny hetsika « Salon international de l’habitat », hatao ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra izao. Hisy ny fihenam-bidy manokana hatolotr’ireo mpandray anjara. Hotontosaina ny 19 ka hatramin’ny 22 okotobra izao ny hetsika « Salon international de l’habitat » (SIH), izay hatao eny amin’ny Parcs des expos, Forello, […]
Auteur/autrice : Adnews
Morarano Ankilizato : zaza varira nalain’ny dahalo teny an-trotroin-dreniny
Nitrangana fakana an-keriny zaza varira indray tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’Ankilizato, distrikan’i Mahabo, faritra Menabe, afakomaly. Nalain’ny dahalo an-keriny teny an-trotroin-dreniny ny zazavavy iray taona sy tapany (zazakely mbola minono). Dahalo enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’ ity fakana an-keriny ity. Niditra an-keriny tao an-trano ireo dahalo. […]
TSELATRA
Mpitondra moto sy mpitondra bisikileta nifandona teo Ambohimahitsy-Ambohimangakely, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nandeha mafy ny moto ka nifatratra tampoka tamin’ilay bisikileta. Samy tsy nahatsiaro tena vokatry ny dona mafy nahazo azy ny roa tonta ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy ny CHRD Ambohimangakely. Saron’ny zandary ireo mpivady nanao sarintsarina fakana an-keriny […]
Depiote tra-doza: vehivavy 76 taona, maty voadonan’ny 4×4
Maty tsy tra-drano ny vaviantitra iray, 76 taona, omaly. Voadonan’ny fiara 4×4, nentina depiote, hamonjy hetsika politika izy. Mikasa hanao raharaham-pihavanana ny roa tonta. Namoy ny ainy teo no ho eo ny renim-pianakaviana iray 76 taona voadonan’ny fiara nentin’ny solombavambahoaka iray, omaly. Tra-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-12, PK 134 + 278, […]




