Auteur/autrice : Adnews

TMH: “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby”

Nampahafantatra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena, omaly, ny solontenan’ireo mpikambana eo anivon’ny Tanora miandrandra ny hoavy (TMH), manerana ny Nosy, tetsy Antanimena. Nohitsin’izy ireo fa aleo handeha ny fifidianana. “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebirebin’ny mpanao politika. Tahotra ny fifidianana an’ireo kandidà sasany ireo”, hoy ny filoha nasionaly, Rafidima­nana Désiré. […]

Andrianarisedo Dama Arsène : “Tsy misy fiantraikany amin’ny asan’ ny Ceni na iza filoham-panjakana eo”

Ahian’ny mpanao politika na ny kandidà sasany hiandany amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta ifarimbonana. Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo, tsy misy fiantraikany amin’ny asan’ny Ceni, raha ny fijerin’ny filohany. Fanazavana. “Na iza na iza filoham-panjakana misolo toerana eo sy voatendry hanao an’izany andraikitra izany, tsy misy fiantraikany […]

TARATRY ny KANTO

Horonantsary fanadihadiana. Ankoatra ny maha fialamboly, amin’ny maha horonatsarimihetsika azy. Mirakitra fahalalana sy fandalinana maro ihany koa ny horonantsary fanadihadiana. Raha ho an’ny eto Madagasikara manokana, azo trandrahana tsara ity sehatra ity ary maro no tokony hanatanterahana azy. Rantin-tsary fanabeazana. Tontosaina eny amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, manomboka ny 30 septambra 2023 […]

ANAC Analamanga: « Misongadina ny ankizy tezaina amin’ny mozika »

Tontosaina nanomboka omaly, teny amin’ny Académie Nationale des Arts et de la Culture (ANAC) Anosy, ny fampianarana mozika ho an’ny ankizy. Zavamaneno maro samihafa no ampianarina ireo kilonga amin’izany. Ankoatra ny fampianarana mozika, misy ihany koa ny fanabeazana ara-tsaina amin’ny alalan’ny mozika entina mampivelatra bebe kokoa azy ireo. « Initiation à […]