Fandaharam-potoana mamaramparana ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny taranja basikety, ny fifaninanam-pirenena N1A lahy sy vavy. Hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 19 hatramin’ny 29 oktobra izany. Ho an’ny sokajy lehilahy, fifaninanana ho an’ireo ekipa 8 mendrika indrindra na ny “Top 8” sy ny famaranana no hatao amin’io fotoana io. […]
Auteur/autrice : Adnews
Rugby – “XXL Top 20” : hatao ny 1 oktobra ho avy izao ny manasa-dalana
Hafana tanteraka ny lalao etsy Andohatapenaka, ny volana oktobra ho avy izao. Ho toy ny famaranana avokoa ny fihaonan’ny Uscar sy ny FTM ary ny Cosfa sy ny 3FB. Afaka valo andro, hanomboka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny manasa-dalana , fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara “XXL Top 20”, taranja […]
Orinasa Malto S.A ; mampiasa « orge » 9 000 t isan-taona
Mandray anjara amin’ny Foara iraisam- pirenena ho an’ny fambolena, FIA, eny amin’ny Zone Forello Tanjombato, ny orinasa Star. Samy eo ambany fiahian’ny vondrona Castel, izy sy ny orinasa Malto S.A, misahana ny famokarana « orge », havadika ho « malt », akora fototra amin’ny fanamboarana labiera. Nanazava ny teknisiana, tomponandraikitry ny fikarohana ao amin’ny […]
Vaovao tambatra
Nanamafy ny praiminisitra Ntsay Christian fa voarara tanteraka ny fivarotana ny tanim-panjakana. Anisan’izany ny tany misoratra amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, toy ny an’ny kaominina, ohatra, raha tsy nahazoana alalana mialoha eo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Miisa 17.736 ny mpiasa ao anaty sokajy « EFA », nahafeno ny fepetra ho raisina mpiasam-panjakana raikitra. Mandeha […]
Randria Choco : mivoatra ny fanodinana ny kakao
Nanomboka nanodina ny vokatra kakao Randria Choco, ny taona 2021, monina any Ambanja. Nomarihiny anefa, fa hataony daholo ny lalam-pihariana rehetra, satria mamboly kakao izy sady manodina ary mivarotra. Anisan’izany ny fandraisany anjara amin’ireny hetsika ara-pambolena aty Antananarivo ireny, toy ny FIA, ny Fier Mada, ny Fim, sns. « Miroborobo ny […]




