Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo olona 13, voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taolam-paty tao Soavinandriana. Voasambotry ny miaramila DSS 12 Tamponala, tao Trondromainty, fokontany Miaramasoandro, kaominina ambanivohitr’i Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly ireto jiolahy ireto. Nifanome tanana tamin’ireo miaramila mpampandry tany ny zandary avy ao amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahafatesan’i Olivier: tsy nety handray ny razana ny fianakaviany
Maty nisy namono tao Antetezambaro, ny alahady maraina teo, i Olivier Sonina. Namonjy alim-pandihizana tao amin’ ny fokontany Analamalotra, kaominina ambanivohitr’Antetezambaro, Toamasina II, izy. Somary nisy fifamaliana taman’olona izy tao amin’ity trano fandihizana ity. Nisy nahatsikaritra izy naratra mafy hita tao ambany tetezan’Ivoloina. Mbola nisy aina izy ka niezaka niantso […]
Fanafihana eny Itaosy : folo lahy, mampihorohoro !
Nasesin’ny jiolahy miisa folo ny tokantrano telo teny Itaosy, ny alahady alina. Voaroba ny vola an-tapitrisany. Nitondra basy ny olon-dratsy. Mandry andriran’antsy ireo manana tsena. Nampihorohoro ny tompon-tsena notafihany, norobain’ny jiolahy folo lahy ny vola 2 tapitrisa mahery tao amin’ny fokontany Marobiby, kaominina Fiombonana – Itaosy, ny alin’ny alahady teo. […]




