Toerana be mpizahatany mitsidika ny Nosy Sainte-Marie sady manana ny lanjany amin’ny tontolo mananaina. Malaza ny fandalovan’ny trozona (baleine à bosse) an’ arivony isan-taona, manomboka ny volana jona hatramin’ny septambra, avy any amin’ny ranomasimbe Antarktika. Mamonjy ny ranomasina mafana, ahafahan’izy ireo hifampitomboana taranaka. Misy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ny Suzuki Marine, […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Tsikaritra fa niverina tsikelikely indray ny fahatapahan-jiro misesy na delestazy eto an-drenivohitra. Manodidina ny adiny roa ny faharetany tamin’ny herinandro ambony, ary lasa adiny telo, nanomboka ny sabotsy teo. Manomboka amin’ny 10 ora alina ny fahatapahana hatramin’ny 12 ora alina, ary niitatra hatramin’ny 1 ora maraina aza izany. Ratsy ny […]
Tsy fanjarian-tsakafo any atsimo: 2 tapitrisa dolara avy amin’ny Rio Tinto
Ankoatra ny maha orinasa mitondra fampandrosoana ara-toekarena ny QMM any Taolagnaro, manana paikady manokana izy amin’ny lafiny sosialy hitsinjovana ny mponina. Nanome vola mitentina 2 tapitrisa dolara ny orinasa iraisam-pirenena, miahy ny QMM Taolagnaro. Fanampiana entina hiatrehana amin’ny krizy ara-tsakafo, indrindra ny any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara io vola io. […]
Fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra : hampiroboroboina ny famokaran’ny tantsaha
Hampiakatra ny tahan’ny famokarana sy hanatsara ny fambolena manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fampiasana ny teknolojia. Mamolavola paikady hampiharana izany amin’ny taona 2024 ireo tomponandraikitra samihafa. Sehatra tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny nomerika amin’ny fiainana marolafy. Tafiditra amin’izany ny tontolon’ny fambolena sy ny famokarana. Misy, araka izany, ny fanolorana […]
SOMBIM-BAOVAO
Nisy fiovana ny kianja hihaonan’i Barea de Madagascar sy i Seychelles, amin’ny alakamisy izao. Raha tao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina no voalaza, hatao any By Pass, kianja Elgeco, izany, araka ny fanazavana nomen’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Marihina fa amin’ny 7 ora hariva ny lalao. Tonga eto Madagasikara hanao fialantsasatra i Francesco […]




