Tsy mitsaha-mitombo ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny Nosy, raha ny zava-misy. Hamoizana aina ny ankamaroan’izy ireny. Anisan’ ny tena mateti-pitranga ny loza eo amin’ny mpitondra kodiaran-droa. Antony mahatonga izay, amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Mahatratra 6 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, amin’izao fotoana. Miteraka fahasorenan’ny mpanjifa ny zava-misy na eo aza ny fanazavana ataon’ny orinasa Jirama. Miantraika amin’ny famatsian-drano ny tsy fisian’ny herinaratra. Mitandahatra maro eny amin’ny paompy ny daba mavo miandry ny fiverenan’ny rano hampiasaina ao an-tokantrano, mikorontana ny […]
65 taona fahaleovantena: Labiera vaovao mandritra ny 2 volana ihany
Mandray anjara amin’ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ny orinasa Star. Nambaran-dRakotonarivo Miora, tomponandraikitry ny marika ao amin’ny orinasa, omaly, fa manolotra vokatra vaovao, « THB Indépendance, labieran’ny Fahaleovantena », izy ireo hanamarihana izany. Labiera vaovao, manana tsiro sy loko vaovao matroka (ambrée) miohatra amin’ny mahazatra. Ambony kokoa ny heriny, 6,5% […]
Tahirimbolan’ny lalana FR : Arahi-maso ny fanamboaran-dalana
Tsy maintsy arahi-maso sady hamarinina ny kalitaon’ny fanamboaran-dalana eto amintsika. Tanjona ny hananana lalana mafy orina sy maharitra ary azo antoka ho an’ny mpampiasa azy. Manao ny fitsirihana sy fanaraha-maso ara-teknika ny Laboratoara nasionaly ny Asa vaventy sy ny taotrano (LNTPB), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Singanina amin’izany […]
Toekarena manga: Jerena ny fomba hisarihana ireo mpampiasa vola
Loharanon-karena fanoitry ny fampandrosoana ny firenena ny toekarena manga. Ilaina ny hisarihana ireo mpampiasa vola hanohana antsika hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny jono. Dinihina mandritra ny fikaonandoha atao eto Madagasikara ny paikady hanatanterahina ireo vina apetraka. Vonona hampiroborobo ny toekarena manga i Madagasikara ho fanoitry ny fampandrosoana ny firenena. Ilaina […]