Taratra

Basikety – Mada U18 : Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara

Tontosa tany amin’ny ligin’Atsimo Andrefana, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy U18, taranja basikety. Noraofin’Analamanga avokoa ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ASA, rehefa nandresy ny MB2 All tamin’ny isa 68 no ho 57. Adin’ny samy ekipan’Analamanga ny azy roa tonta ireo. Voafidy […]

Fifanintsanana Can 2027: Nantsoina hiaro ny haraton’ny Barea i Sonny Laiton

Namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy baolina kitra ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny mpanazatra ny Barea, Corentin Martins, raha ny vaovao, omaly. Nantsoina hanolo ny toeran’i Zacharie Boucher i Sonny Laiton. «Tafaverina ihany !». Raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, nantsoina hanampy isa ireo mpiandry haraton’ny Barean’i Madagasikara i […]

Vovonana Alalana : Hanamora ny fahazoan-dalana hanondrana

Hampiasaina hanatsarana ny fikarakarana ny fahazoan-dalana hanondram-bokatra ny vovonana Alalana. Natombo­ka omaly, tetsy Mahamasina, ny fiofanana momba ity sehatra ity. Natokana ho an’ireo talem-paritry ny Varotra sy ny fanjifana (DRCC) manerana ny Nosy, iarahana amin’ny PA Zlecaf izany. Manan-karena vokatra fanondrana i Madaga­sikara. Antony mahatonga ny minisiteran’ny Varotra sy ny […]

Banky Sipem : Manakaiky hatrany ny mpanjifa

Miroborobo ny fandraharahana madinika sy salantsalany eny amin’ny faritr’Ivato. Notokanana ny 18 septambra teo ny masoivoho faha-30 an’ny banky Sipem eny an-toerana. Tan­jona ny hanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa sy ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany (PME-PMI). Ahafahana manohana, mamaly haingana ny filan’ny mpanjifa izany. Nilaza ny tale jeneralin’ny Sipem Banque, […]

Famokarana vaventy: Trakitera miisa 28 hampitomboana ny velaran-tany ambolena

Fanovana goavana no hatao amin’ny sehatry ny fambolena. Natolotra ny sabotsy 20 septambra teo, teny amin’ny CFFAMA Antsirabe, ireo fitaovana vaventy hoentina mamokatra amin’ny velarantany midadasika. Nitarika ny fotoana ny Filohan’ny Fanavaoza­na ny Repoblika, ny Kkolonely Randrianirina Michaël. Nahitana trakitera miisa 28, marika Massey Ferguson, miaraka amin’ny kojakoja famokarana toy […]