Taratra

Pureplay football league (PFL): nosazian’ny CFEM ny Mama FC sy ny 3FB Toliara

Herinandro taorian’ny fisian’ny gidragidra teo amin’ny lalaon’ny Mama FC sy ny 3FB, namoaka fanapahan-kevitra ny Club du football Elite de Madagascar (CFEM). Sazy henjana no azon’ny roa tonta. Nivory teny Mahamasina, ny talata lasa teo, ny Club de football Elite de Madagascar (CFEM), sy ireo fi­lohan’ny klioba efatra ao amin’ […]

INDRAY MIJERY

Nahazo boky torolalana ho an’ny taranja kajy, kilasy T2, ireo mpampianatra ao amin’ny Cisco Ihosy. Tanjona ny hanatsarana ny fampianarana io taranja io sy hofampitana izany amin’ny mpianatra. Ny foibem-pitondrana misahana ny fanamorana fanatanterahana tetikasa (UFP) no niandraikitra izany. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa PAEB nanaovana izany. Hotanterahina ny zoma […]

Fandalovan’ny rivodoza : 339 miliara Ar ny hanarenana ny fotodrafitrasa

Mahatratra 339 miliara Ar ny vola ilaina ho fanarenana ny simba taorian’ny fandalovan’ny rivodoza sy ny rotsakorana be farany teo. Tombana nataon’ny ekipan’ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka rehetra no nahazoana ny so­ra-bola amin’ny asa samihafa tsy maintsy hatao, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, jeneraly Andriakaja Elack Olivier, teny Andrainarivo, […]

Minisiteran’ny Mponina sy firaisankina : nisongadina ny fanatonana ireo olona marefo

Fidinana teny an-kianja nanatona ny olona marefo no nifantohan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina tao anatin’ny 100 andro. Hampahaleo tena ireo marefo no tanjona. Nanao tombana ny 100 andro voalohany niasany ny minisiteran’ny Mpo­nina sy ny firaisankina. Nisongadina ny zava-bita ary mbola betsaka ireo asa miandry izay hiompana hatrany amin’ny […]