Taratra

Fivondronamben’ny eveka : “Hampandeferina aloha ny politika”

“Hampandeferina ny raharaha politika, fa tokony hatao ny fandefasana an’ireo fitaovana sy ireo fanampiana enti-manavotra an’ireo havana any amin’ny faritra avaratra”. Io no hafatra maika nampitain’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sady evekan’i Morondava, ny Mgr Ralamboniaina Marie Fabien, afakomaly, manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’ny faritra avaratry ny […]

Depiote Andriamampandry: “Tsy hanaiky lembenana intsony isika”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Tim, Andriamam­pandry Todisoa. Anisan’izany ny “Raharaha Razanama­hasoa Christine”. Nohitsiny fa efa tena tafahoatra loatra ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy hisy hanaiky lembenana izany in­tsony eto. Efa sangy mihoatra ny loha izao fihoaram-pefy ataon’ny fanjakana izao”, hoy izy. Notsiahiviny fa efa tsy anatin’ny IRD […]

Fanamarihana ny 29 marsa : manohy ny tolona ny Kolektifa

Anisan’ireo nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny Fasan’ny mahery fo eny Avaratr’Ambohitsaina ny avy amin’ny Kolektifa ho an’ny Malagasy. “Tsy zava-poana akory ny tolona nataon’ireo tia tanindrazana fa hotohizana”, hoy Andrianaina­rivelo Hajo. Nanteriny fa iraisan’ireo mahery fo milevina eo amin’izany toerana izany ny ady ho an’ny fahafahana sy ny fitiavan-tanindrazana ary koa […]

Filoha Rajoelina: “Tsy atao tsinontsinona ny tolona natao”

Ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ireo razambe no fototry ny fampandrosoana. Noho izany, raisina ny faneva hameloma-maso ny hambompom-pirenena “Tsy ekentsika horabirabiana, hohitsakitsahina, atao tsinontsinona ny tolona rehetra natao teto amin’ity firenena ity. Satria nisy aina nafoy teto, nisy fikasana handroso ho amin’ny soa kokoa eto. Za­vatra sarobidy loatra ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny baikon’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa tsy maintsy eo anilan’ny vahoaka hatrany ny fitondrana. Napetraka ny fandaminana amin’ny fandefasana ny fanampiana vonjy aina ho an’ireo traboina, amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Tsy maintsy midina ifotony koa ireo mpikamban’ny governemanta. Iharan’ny ramatahora ny milaza ny marina […]