Taratra

FANTINA sy FINTINA

Hotanterahina anio ny fitsarana ny ”Raharaha Boeing 777”, nalefa any Iran. Hatao etsy amin’ny Pac 67Ha izany. Miisa 33 ireo voasaringotra amin’io. Ani­san’ny vesatra hiampangana azy ireo ny fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, ny kolikoly. Eo koa ny famotsiam-bola sy ny fanararaotana andraikitra ary famotsiam-bola sy fikambanan-jiolahy. Tena henatra tanteraka ho an’ny […]

Fikaonandoham-pirenena : Miantso ny fiangonana ao aminy ny FFKM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fandrindrana nasionaly ho an’ny fikaonandoham-pirenena, ka voarakitra ao anatin’izany ny fiantsoana ireo fiangonana miombona eo anivon’ny FFKM (Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasi­kara) mba handray anjara amin’ity fikaonandoham-pirenena ity. Maro ireo andraikitra ilàna olona ao anatin’ny fiomanana ho firosoana amin’ny dinika ho fanavaozana an’i Madagasi­kara, toy […]

Malailay fonosana

Tao anatin’ny herinandro maromaro, mihazakazaka ny fananganana vovonana na fikambanana ho mpanohana fitondrana. Mifanindran-dalana amin’izay ny fahasarotam-piaron’ny mpitolona mahakasika ny seza azony. Miseholany ny fanehoan-kevitra mifanohitra, mahakasika an’i Kolonely sy ny Fanavaozana. Ny avy ety ivelany, niofo sy namadika kravaty, manao be fiavy, tsy miala alavitra ny filoha sy ny […]

Fivoriamben’ny ONU : Hodinihina any New York ireo Nosy malagasy

Hanomboka any New York, Etazonia, anio, ny fivoriambe faha-81 eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU). Anisan’ny hodinihina amin’izany ny amin’ireo Nosy malagasy. Nandritra ny fivoriana faha-80, efa nanapa-kevitra ny ONU ny hanemotra ny fandinihana izany ho amin’izao fivoriambe faha-81 izao. Mampiseho ny tahirin-kevitry ny ONU fa efa nampidirina hatrany tao amin’ny […]

TSELATRA

Polisy 30 mianadahy no nanome ra tetsy amin’ny CHRR Bongolava, omaly nanomboka tamin’ny 8 ora maraina. Izay notarihan’ny Talem-paritra sy ny Lehiben’ny Kaomisaria, ny ankoatra ireo kosa nanohy ny asa andavanandro. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny polisim-pirenena malagasy izany hetsika izany. Mbola maro ny hetsika karakarain’izy ireo. Notazomina […]