Tapa-bolana taorian’ny fahavitan’ny lalao Olympika ho an’ny atleta salama ara-batana, hiditra an-tsehatra indray, manomboka anio, ireo manana fahasembanana. Hampiantrano izany hatrany i Frantsa. Haharitra hatramin’ny 8 septambra ny fihaonana, izany hoe, hifaninana mandritra ny 11 andro ireo atleta miisa 4 400 manerana ny vazantany efatra. Miisa 23 ireo taranja hiadiana […]
Fanatajahantena
Ping Pong – Afrika 2024: mbola baraingo ny fandraisan’ i Madagasikara anjara
Tsy mbola misy resaka na fanapahan-kevitra noraisina ny fiatrehan’i Madagasikara anjara amin’ny fifaninanana afrikanina amin’ny volana oktobra ho avy io, any Ethiopie. Ny 29 aogositra izao no hanomboka ny fifaninanana nasionaly. Hotanterahina any Addis Abeba, ny 18 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy […]
Rugby – Top 20 : resin’ny 3FAI tamin’ny mokafohy ny CEA
Tontosa ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Malacam Antanimena, ny andro fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 20”. Nisongadina tamin’ireo lalao rehetra ny fihaonana teo amin’ny 3FAI Ambalavao Isotry sy ny CEA Andranomanalina. Niady hatramin’ny farany ny lalao ary tany amin’ ny segondra farany vao […]
SOMBIM-BAOVAO
Araka ny vaovao niparitaka ao anaty tambajotran-tserasera, ny alahady lasa teo, tokony hanao tetikasa goavana amin’ny fampivoarana ny baolina kitra eto Madagasikara ny klioba Fosa Junior FC saingy nosomparan’ny mpisoloky izany. Tsiahivina fa hanangana ny Fosa Academy any Boeny ny Fosa Junior. Hody ny alarobia ho avy izao eto an-tanindrazana […]
Fanatanjahantena : nihaona ny minisitra sy ny federasiona
Nisy ny fihaonan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha, tamin’ireo filohana federasiona, omaly. Nifankafantatra sy nifampihaino izy ireo nandritra izany. Nisy ihany koa ny fangatahana nataon’ireo federasiona mba hijerena akaiky sy hanohanana azy ireo, amin’ny fifaninanana rehetra karakaraina sy handraisan’izy ireo anjara, na ny eto an-toerana izany, […]