Fanatajahantena

Karate : Nomena fiofanana ireo mpitsara

Nanomboka niova ny lalàna amin’ny fitsipiky ny fifaninanana eo anivon’ny WKF (World Karate Federation), tamin’ity taona 2026 ity. Izany indrindra no antony nanomezana fiofanana ho fanamafisana sy fampitana ny fiovana amin’ireo mpitsara malagasy, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha. Nambaran’ny filohan’ny mpitsara, Sensei Voahirana fa ny mpitsara no […]

DAKA AN-JORONY: Ho rojo vola am-bozon’ny mpihaingo

Niravona amin’ny am-pahany ny olana eo amin’ny baolina kitra, izay maha ketraka ny Malagasy, amin’ny ankapobeny. Rehefa marary mantsy ity taranja ity, toa tsy salama avokoa ny firenena iray manontolo. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana tokoa ary ny olana rehetra misy vahaolana. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanazatra nitondra ny Barea-n’i […]

Kitra diviziona voalohany – PFL : Voatazon’ny CFFA sahala ny Disciples FC

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahafito sady faran’ny lalao mandroso amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Pureplay Football League (PFL). Ho an’ny kaonferansy Atsimo, voatazon’ny CFFA Andoharanofotsy, ady sahala 1 no ho 1, ny ekipan’i Vaki­nankaratra, Disciples Fc, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianjan’ny Velodromes Antsi­rabe. Niady […]

Barean’i Madagasikara : Voatazona ho mpanazatra i Corentin Martins

Mitohy ny asa amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, ho an’i Corentin Martins, frantsay portiogey mpanazatra. Tanjona ho tratrariny amin’ity ny hiatrehan’ny Barea de Madagascar ny Can 2027. Tapitra hatreo ny siosio-dresaka mahakasika an’i Corentin Martins, frantsay mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barea.  Notontosaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Mahamasina, ny […]

Gymnastique rythmique : Mizara traikefa eto i Isabelle de Cossio

Mpanazatra malagasy 10 mianadahy no miatrika fiofanana eo amin’ny taranja “Gy­mnastique rythmique”, eny amin’ny Kianja mitafon’i Maha­masina, nanomboka ny alakamisy 19 febroary lasa teo hatramin’ny alahady 22 febro­ary izao. Ny manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena ny “gymnastique”, i Isabelle de Cossio no mizara ny traikefany, izay efa fanintelony izao izy […]