Tokony ho efa nandeha ny fifaninanam-pirenena taranja Beach Soccer sy Futsal. Misy ny fandaminana apetraky ny tomponandraikitry ny baolina kitra. Noho izany, hisy ny fivoriana ataon’izy ireo. Somary nangina tanteraka ilay fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra ambony torapasika, “Beach Soccer” sy ny baolina anaty efitrano, “Futsal”. Nilaza […]
Fanatajahantena
Atletisma-« Mada 2024 » : voalohany ny ligin’Analamanga
Nanjakan’ny faritra Analamanga tanteraka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja atletisma, sokajy zandriny, taom-pilalaovan 2024, izay nifarana afakomaly, teny amin’ny Kianjan’ Alarobia. Araka ny vaovao voaray tamin’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), medaly volamena 32 no azony. Mitana ny laharana faharoa kosa ny atletan’Atsinanana, izay nahazo volamena 19, raha toa […]
D2 Nasionaly : nisaraka ady sahala ny Jet Kintana sy ny FC A Ilakaka
Notanterahina omaly, tany Ambatondrazaka sy tany Ambositra, ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa “World Cola Ligue des Champions”, taranja baolina kitra. Nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny ekipan’ny Jet Kintana Itasy sy ny FCA Ilakaka, tany Ambositra. Lalao tena nandrasan’ny rehetra izy ity, klioba […]
Faha-50 taonan’ny AKKA : hotohizana amin’ny “Coupe 50ème” ny fankalazana
Mankalaza ny faha-50 taonany amin’ity taona 2024 ity, ny klioban’ny Akka, taranja karate-do. Hisy ny fifaninanana hoenti-manamarika izany dia ny “Coupe 50ème”, ny 14 sy 15 septambra izao, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Kata sy Kumite ho an’olon-tokana no hikatrohana. Hisy koa ny fifaninanana isam-bondrona, handraisan’ny “style” 4 anjara, araka ny […]
Taekwondo : mpikatroka 33 mianadahy handalo fifantenana farany
Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao ny fampivondronanana farany amin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja taekwondo, sokajy zandriny Junior, lahy sy vavy. Miisa 33 mianadahy izy ireo, izay lehilahy ny 15 ary 18 ny vehivavy, no voatazona hiatrika izany, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taranja taekwondo […]