Hifantoka kely any Afrika Atsimo ny sain’ny Malagasy mpanaraka baolina kitra amin’izao fotoana izao. Hiady ny tapakila hiakarana manasa-dalana amin’ny “Cosafa Women’s Cup” ny Barea, sokajy vehivavy. Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny lalaon’ny Barea Ladies Madagasikara sy i Mozambika. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faharoan’ny vondrona C, anatin’ny fifanintsanana afrikanina, […]
Fanatajahantena
SOMBIM-BAOVAO
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja judo. Laharana voalohany ny klioban’ny Esca, izay nandrombaka medaly volamena 24, volafotsy 15 ary alimo 17. Laharana faharoa ny klioban’ny ASSM, izay nahazo medaly volamena 12, volafotsy 10 ary alimo 6. Hotontosaina ny 26, 27, 28 […]
Fief Mada-Ma-Hery Futsal : Mahatratra 22 ny oniversite mifanintsana
Notanterahina ny alahady 22 febroary lasa teo, tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny lanonam-panokafana ny “Ma-Hery Futsal”, hetsika karakarain’ny Fief Mada. Mahatratra 22 ireo ekipa amin’ny Oniversite mandray anjara amin’ity andiany voalohany ity, ka ny 18 amin’izy ireo hifanintsana amin’ny sokajy lehilahy ary ny efatra ambiny ao amin’ny vehivavy. Ho […]
FTM Manjakaray: Tohanan’ny fikambanana Mandimby
Resy lahatra tamin’ny vokatra azon’ny FTM Manjakaray, taranja rugby, ny fikambanana Mandimby ka nanome tanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny « XXL Top 12 ». Ny sabotsy lasa teo, teny Manjakaray, tonga nanolotra «maillot» karazany roa, fotsy sy manga, kiraro sy « bas » mifandraika amin’izany, ho an’ireo mpilalao rehetra, izy ireo. Nanome izany […]
Lomano-“Mada 2026” : Nahazo “record” nasionaly roa i Baritiana Mathieu
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano. Mpilomano 418, avy amin’ny klioba 30, manerana ny ligy 7 no nandray anjara. “Record” nasionaly roa no montsana. Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ Andriampenomanana Baritiana Mathieu (Managing). Taorian’ny nahazoany ny “record” nasionaly, tamin’ny […]





