Fanatajahantena

Judo – Maneran-tany : hisolotena ny Malagasy Rasoanaivo Laura

Hanainga rahampitso Rasoanaivo Razafy Laura, sokajy -70kg, hiatrika ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Juniors, taranja Judo. Fifaninanana izay hatao ny 2 hatramin’ny 8 oktobra izao, any Douchambe Tadjikistan. Ny alahady 6 oktobra izy no hiakatra tatami ary judokas 39 maneran-tany no hiady ny anaram-boninahitra eo amin’ny sokajy misy an’i […]

Volley-Mada D1: nanao pao-droa ny ekipan’ny GNVB

Mbola mitazona hatrany ny maha sangany azy eo amin’ny sokajy “1ère division”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball). Vokatra tsara no azon’ny ekipa, omaly, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, nandritra ny famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, “1ère division”. Samy nandrombaka ny fandresena avokoa ny GNVB na ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, « XXL Top 12 ». Hamarana ny fifanandrinana eny an-toerana ny lalao izay hihaonan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nahatratra 156 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]

Volley-Mada D1 : tafakatra manasa-dalana ny GNVB 1 sy 2

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana, anio, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère division, taranja volley-ball. Ekipa misongadina ny GNVB 1 sy ny GNVB 2, izay samy tafakatra amin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana ny voka-dalao, seta 3 no ho 0 (25-14/25-14/25-13) no nandresen’ny GNVB 1 ny ekipan’ny […]

kitra – «D2 Nationale» : hafana ny fiadiana ny toerana faharoa

Na efa fantatra mialoha aza fa ny FC Avenir Androy no tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny “World Cola Champions League” na ny “D2 Nationale”, taranja baolina kitra, mbola ady goavana ny laharana faharoa. Ho fantatra rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium izany. Hiady ny tapakila amin’izany toerana izany ny FCA […]