Notanterahina ny sabotsy lasa teo ny fifaninanana “inter établissement”, andro faharoa, teo anivon’ny klioban’ny Makawa (Madagascar Karate-do Wado), taranja karate. Ankoatra ny fifaninanana, nisy ny fitokanana Seiko No Kai KaMa sy Body karate, nandritra izany. Tonga nanotrona izany, teny amin’ny Espace Queens Fanomezantsoa By-Pass, ny eo anivon’ny federasionina. Niditra tamin’ny […]
Fanatajahantena
Seksiona Ambohidratrimo : Nanokatra ny taom-pikatrohana 2026
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2026 ny eo anivon’ny seksiona Ambohidratrimo, taranja basikety, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Para Ivato. Fanamarihana ny taona amin’ny fahombiazana no tanjona ho an’ny seksiona, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrabe Rija, nandritra ny lahateny nataony. Nohamafisiny fa fanamby no apetraka amin’ity taona ity […]
“Pureplay Football League” (PFL) : Cosfa sy Disciples, tsy mbola resy hatreto
Mizotra miandalana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Samy tsy mbola resy hatramin’ny nanombohan’ny fifaninanana ny Cosfa sy ny FC Disciples. Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, ny andro fahenina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra (Pureplay Football League). Ekipa roa no misongadina amin’izao […]
Lutte – Mada 2025 : Nifantenana ireo ho ekipam-pirenena
Tontosa soa aman-tsara, tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena taranja tolona, sokajy U17, U20, U23 ary Senior, lahy sy vavy, nokarakarain’ny federasionina (FML). Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohany fa manana lanjany izy ity. Voalohany, hifantenana ireo mpilalao handrafitra voalohany ny ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny […]
Basikety-“Stage des entraîneurs”: 40 mianadahy nahazo traikefa
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina, ny famaranana ny fiofanana ho an’ny mpanazatra, izay nokarakarain’ny Seksionan’ny basikety Antananarivo Renivohitra. Ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasionina, Razafiarivony Solofohery Angelot, no nizara ny traikefany tamin’ireo mpiofana, nandritra ny 3 herinandro. Niatrika fanadinana ireo mpiofana ary 40 mianadahy […]





