Fanatajahantena

Taekwondo : mpikatroka 33 mianadahy handalo fifantenana farany

Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 25 septambra ho avy izao ny fampivondronanana farany amin’ny fifantenana ny ekipam-pirenena Malagasy, taranja taekwondo, sokajy zandriny Junior, lahy sy vavy. Miisa 33 mianadahy izy ireo, izay lehilahy ny 15 ary 18 ny vehivavy, no voatazona hiatrika izany, araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona ma­lagasin’ny taranja taekwondo […]

DAKA AN-JORONY: Natao sanga ka nanakona

Miharihary hatrany ny fisian’ny ady mangatsiaka eo amin’ireo mpisehatra amin’ny taranja baolina kitra. Niteraka resabe indray mantsy ny fanambaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar fa tsy izay olona mamono baolina any amin’ny diviziona fahefatra dia ho antsoina ao anaty ekipam-pirenena avokoa. Tsy niandry ela fa niloa-bava naneho ny alahelony sy […]

Sombim-baovao

Voahosotra ho tompondakan’i Madaga­sika­ra, sokajy Vétérans, taranja basikety, ny BC Blindé sy ny MMBC. Nandresy ny BCR tamin’ny isa 49 no ho 47 ny BC Blindé, raha toa ka isa 38 no ho 31 no nandavoan’ny MMBC ny ASVD Fitefa. Nanomboka omaly, any Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy […]

JJB – seminera : nizara ny traikefany ny Sensei Séraphin

Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Dojo Rama Antohomadinika, ny seminera niarahana tamin’ny Sensei Séraphin, taranja haiady Jiu-jitsu Breziliana. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho azy ireo nandritra izany. Natomboka tamin’ny fizarana traikefa “GI”, narahan’ny seminera “No-Gi” sy ny “Open Mat” nandraisan’ireo mpizaika tamin’ny seminera anjara. Nofaranana tamin’ny fampiakarana grady […]