Tapitra hatreo ny fanomanantenan’ny Barea de Madagascar tao anatin’ny datin’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny volana marsa teo. Samy nandray lesona ny tsy nety tamin’ireo vokatra azo ny rehetra manomboka any amin’ny federasiona, mandalo amin’ny mpanazatra ary hatrany amin’ireo mpiantsehatra mivantana dia ny mpilalao izany. Tsy afa-miala ao anatin’izany koa ny […]
Fanatajahantena
Sombim-baovao
Nahazo ny laharana faharoa, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny Oniversite ao Frantsa, taranja Echecs, Rakotomaharo Fy, teratany malagasy mpilalao Échecs, monina any Frantsa. Isa 7,5/9 no azony tamin’ity fifaninanana ity. Niatrika fampivondronana tany Moramanga, ny 4 hatramin’ny 7 avrily teo, ireo Malagasy karateka, sokajy U12, U14, U16, U18 ary Seniors. […]
Fifidianana – Taekwondo: tsy mbola mipetraka ny vaomiera mpikarakara
Nifarana ny sabotsy lasa teo ny fe-potoana fametrahana ny taratasy firotsahan-kofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Taekwondo (FMTKD). Tsy mbola voafaritra mazava anefa ny mahakasika ny vaomiera hikarakara izany fifidianana izany. Raha ny vaovao voaray farany, ny 16 avrily no hitsangana io rafitra io, daty hanaovana ny fifidianana ihany […]
“Motor show 2024”: Lelavola 80 tapitrisa Ar hanampiana sy hitsaboana ankizy 200
Niditra tamin’ny fizarana fitaovana sy fanampiana ireo ankizy marary any amin’ny hopitaly ny fikambanana Motor show by Madagascar High Performance. Notolorana fitaovana sy lelavola ary fanafody izy ireo. Nahatratra 80 tapitrisa Ar ny tombom-barotra azo nandritra ny hetsika “Motor show 2024”, natao ny 30 sy 31 marsa, lasa teo. Nanambarana […]
Rugby- “Can 2024”: Hiady ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2025” ny Makis Ladies
Handray lalao goavana eto Afrika amin’ny taranja rugby, lalaovin’olona 15, indray i Madagasikara. Efa ao anatin’ny fanomanana izany tanteraka ny Malagasy Rugby. Hisy ny fanamboarana ny kianja Makis Andohatapenaka. Nampahafatarina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2024”, Rugby à 15, […]