Fanatajahantena

Volley-Mada 1D : Hiditra amin’ny ampahefa-dalana, anio

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo […]

SOMBIM-BAOVAO

Dingana manaraka ho an’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) ny fiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, sokajy olon-telo miaraka vehivavy. Fihaonana hotanterahina any Douaisis, France, ny 9 ka hatramin’ny 12 oktobra ho avy izao. Efa any an-toerana ny ekipam-pirenena mala­gasy manoman-tena ho amin’izany. Hankafy lalao baolina kitra mahafinaritra indray ny […]

Volley-Mada 1D : Mandravarava ny ekipan’ny Zandary

Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, mialoha ny hidirana amin’ny dingana farany, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy 1ère division, lahy sy vavy. Tante­rahina eny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano sy eny amin’ny ANS Ampefi­loha izany. Tsy mbola lefy laza hatreto ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de volley-ball) […]

« Ballon d’or » : Lasan’i Ousmane Dembelé

Ilay Frantsay mpilalao baolina kitra, lohalaharan’ny Paris St Germain (PSG), i Ousmane Dembelé, no voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra nandritra ny taom-pilalaovana 2024/2025, ka nandrombaka ny «Ballon d’or». Ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny Théâtre du Chatelet Paris, no nanaovana ny lanonam-panolorana izany. Hetsika nokarakarain’ny France Foot-ball. Anisan’ny andrin’ity ekipa […]

Baolina kitra: Hilalao ao amin’ny klioba CFFA i Dax

Manana mpilalao vaovao efa kalaza amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy. Nahazo an’i Dax izy ireo. Haharitra herintaona ny fifanarahana. «Nifindra lasy !» Nambara ofisialy teny amin’ny kaominina Andoharanofotsy, omaly, ny fahatongavan’ Andriamirado Arohasina na i Dax ao amin’ny klioban’ny CFFA. Araka ny nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa na Maire Tôta, […]