Hotontosaina ny 16 hatramin’ny 24 aogositra izao, any Toliara, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy Vétérans. Tsiahivina fa tontosa ny herinandro teo ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy, tany Toamasina. Niditra an-tsehatra omaly alina, ny solontena malagasy, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i […]
Fanatajahantena
Handball : Nodimandry i Léon Thomas, mpanazatra
Misaona ny tontolon’ny handball. Nodimandry omaly, Rakotonindriana Léon Thomas, mpilalao handball fahiny sady mpanazatra. Ny aretina efa nahazo azy, nandritra ny fotoana naharitra no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, tena niaina ary nandany ny androantokom-piainany tamin’ ny fanatanjahantena Itompokolahy. Mpampianatra tao amin’ny ANS Ampefiloha izy. Nilalao tamin’ny klioba maro teto […]
ASIEF 2025 : Efa tafakatra 15 000 ny mpandray anjara
Efa mamarana ny fifaninanana rezionaly avokoa amin’izao fotoana izao ny mpifaninana hiatrika ny fifaninanana nasionaly Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), taona 2025. Nambaran’ny filohany, Andrianarison Jean Aimé na i Jhone Love, fa tsy maintsy miatrika rezionaly avokoa ny mpandray anjara rehetra mialoha ny hiatrehana ny nasionaly. Efa […]
Filankevitry ny minisitra : Tohanana ny atleta hiaro ny voninahi-pirenena
Hotohanan’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ireo fifanintsanana iraisam-pirenena maro, ny atleta malagasy mpilalao ny taranja Karate, Ping pong, lomano, ary ny fibatana fonjamby. Tsy mbola tazana ny an’ireo lalao iraisana. Notontosaina ny alarobia teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny filankevitry ny minisitra, izay notarihan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Tapaka tamin’izany fa hotohanana […]
Elgeco Plus: Mety haka mpilalao avy any ivelany
Manana tanjona ny handeha lavitra amin’ny fifaninanana afrikanina, “Ligue des Champions Caf” (LDC Caf), ny Elgeco Plus de Madagascar. Araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity, mety haka mpilalao avy any ivelany indray ity klioba ity mba ho fanamafisana ny ekipan’izy ireo amin’ ity fifanintsanana afrikanina ity. Marihina […]




