Fanatajahantena

Kitra – «Grand Tournoi d’Antananarivo»: ho fantatra rahampitso ireo hanao ny famaranana

Hotanterahina eny By Pass ireo lalao manasa-dalana roa, hiadiana ny «Grand Tournoi d’Antananarivo», taranja baolina kitra. Ho fantatra rahampitso izay hanao famaranana. Ho fantatra rahampitso alahady, etsy amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium, By-Pass, izay ekipa roa hiatrika ny famaranana amin’ny “Grand Tournoi d’An­ta­nanarivo”, taranja baolina kitra. Hiady izany ny US […]

Taekwondo – “Lalao Olympika 2024” : hiady ny tapakila ny Malagasy mpikatroka

Hotanterahina any Dakar Sénegal, ny volana febroary ho avy izao, ny fifanintsanana amin’ny ady tapakila hiatrehana ny “lalao olympika JO”, Paris 2024, taranja Taekwon­do. Anisan’ireo mandray an­jara amin’izany ny Malaga­sy mpikatroka taekwondo eto an-toerana. Hisy ny lalao fifantenana “match test” amin’ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Centre de formation […]

Fifanintsanana “Afrobasket 2025” : tsy afaka miatrika ny lalao i Mathias M’Madi

Hotanterahina eto Madagasikara, manomboka ny 15 – 19 janoary ho avy izao, ny lalao fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Afrobasket 2025”. Tsy navelan’ny kliobany hiatrika izany i Madi. Nihena iray ny lisitr’ireo Ankoay, Malagasy mpilalao, sokajy “senior” lehilahy, araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Ilay Malagasy […]

Atletisma : hisy semi-marathon roa amin’ny taona 2024

Feno ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Hiavaka satria hisy semi-marathon roa. Ny iray fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Mahajanga, ny 31 marsa ho avy izao. Ny volana mey, hisy ny semi-marathon international. Fihaonana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpihazakazaka avy any ivelany anjara. Tsy mbola voafaritra […]