Fanatajahantena

Echecs-Inter Club : Mpilalao 204 nifaninana

Tontosa ny sabotsy 5 jolay lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafo Ankoay Ankorondrano, ny fifaninanana «Tournoi inter club par équipe», sokajy tanora, taranja échecs. Fifaninanana nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja échecs. Niavaka ity fifaninanana ity noho ny hamaroan’ny mpandray anjara izay nahatratra 204 be izao. Ekipa 45 avy amin’ny klioba 17, […]

Tsipy kanetibe, sokajy vehivavy : Fantatra ireo efatra hiatrika ny “Mondial 2025”

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny anaran’ireo vehivavy mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2025. Avy amin’ny ligin’Analamanga sy Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena, amin’ity. Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny fampivondronana ireo mpilalao tsipy kanetibe 24 mirahavavy. Hetsika nenti-nitiliana izay […]

Tenisy any ivelany: Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa i Antso

Misongadina hatrany! Mbola mampiseho ny heriny amin’ny fifaninanana tenisy any Frantsa, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ny sokajy lehilahy, +35 taona, Rakotondramanga Antso, Malagasy mpilalao. Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa fanindroany indray ny tenany, rehefa nandavo an’i Louis Quennessen, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/3,6/2), nandritra ny lalao famaranana. Azo […]