Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Kung fu, taona 2023. Teny amin’ny Temple de Pierre Mizael, Ambatomirahavavy, no nanatanterahina izany, nandritra ny 2 andro. Ny asabotsy 16 desambra no nanaovana ny dingana fifanintsanana sy ny manasa-dalana ary omaly alahady 17 desambra kosa ny dingana famaranana. […]
Fanatajahantena
« Cosafa School U-15 »: Tsy tafavoaka vondrona i Madagasikara
Tsy namokatra firy ny ekipa nasionaly malagasy nandritra ny “Cosafa School U-15”, natao tany Harare Zimbabwe. Samy tsy nisy tafavoaka vondrona ny sokajy lahy sy vavy. Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, nandritra ny fifaninanana « Cosafa School U-15 », taranja baolina kitra, izay natao tany Harare Zimbabwe, ny 15-16 […]
Federasionan’ny lomano : tsy raikitra ny fifidianana !
Tsy raikitra ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ ny lomano, saika natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS) Ampefiloha. Olana teo amin’ilay kandidà nirotsaka ho fidina no antony tsy nanaovana ity fifidianana ity. Kandidà tokana no nirotsaka saingy manana olana izay mifanipaka amin’ny fitsipika mifehy ny […]
Federasiona malagasin’ny tolona: Voafidy ho filoha indray Raveloson Mamitiana
Lany ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML) faninefany, Raveloson Mamitiana. Izy indray, araka izany, no hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona manaraka, rehefa nahazo vato efatra tamin’ireo ligy efatra tonga nanatrika ny fifidianana teny Ivandry, ny zoma lasa teo. Anisan’ireo mbola nametraka fitokisana taminy indray, ny ligin’Analamanha, Atsinanana, Boeny, […]
Rugby : lasan’ny Cosfa ny amboaran’i Madagasikara
Noraofin’ny Cosfa (Bebaoty) nody any an-dakazery ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Tsy mbola afa-bela tamin’izy ireo indray izany ny Uscar. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana niadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Nobatain’ny Cosfa (Bebaoty), ny fandresena […]