Namoaka ny filaharan’ireo firenena mpikambana ao aminy, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa). Nanamarika izany ny filaharana misy an’i Comores izay eo alohan’ny Barea de Madagascar. Mipetraka eo amin’ny faha-105 maneran-tany mantsy izy ireo na dia very toerana 2 aza satria teo amin’ny laharana faha-103 teo […]
Fanatajahantena
Baolina kitra : Vonona hizara ny traikefany i Malabary
Nanambara i Hervé Arsène Malabary, ilay Malagasy mpilalao baolina kitra monina any Frantsa, ny alarobia 26 marsa lasa teo, nandritra ilay “Match de gala” natao tetsy Maha-masina, fa vonona ny tenany hizara ny traikefany hampandrosoana ny baolina kitra eto Madagasikara. Raha tsiahivina, mpilalao novolavolaina tao amin’ny AC Sotena Mahajanga i […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina any Vatomandry, ny 18 hatramin’ ny 21 avrily ho avy izao, ny hetsika « Dola Beach », izay karakarain’ny orinasa Yas Madagasikara. Hisy ny fifaninanana ara-panatanjahantena maro any an-toerana. Ao anatin’izany ny rugby beach, ny beach soccer, ny taranja tolona. Hotanterahina ny 15 hatramin’ny 20 avrily ho avy izao, any Espagne, […]
Handball – Mada Jeunes 2025: Hahemotra amin’ny fialantsasatra lehibe
Nambaran’ny Federasionina malagasin’ny handball, tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, fa hahemotra amin’ ny fialantsasatra lehibe ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zandriny. Tsy nanambara ny anton’ity fanemorana ity izy ireo. Raha tsiahivina, tokony hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 27 avrily ho avy izao izany ary ny ligin’i Bongolava no voatondro hampiantrano azy. […]
Manampahaizan’ny Caf : Hitsirika ny bozaka etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina
Nigadona teny Ivato, afakomaly alina, ny manampahaizana amin’ny resaka bozaka, avy amin’ny Caf. Nafaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, manokana. Hiala nenina! Tsy kivy mitady vahaolana ho an’ ny fanamboarana ny Kianja Barea Mahamasina ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny FMF, […]




