Fanatajahantena

Basikety-N1B : Fantatra ireo hiatrika ny manasa-dalana

Hiditra amin’ny dingana manasa-dalana, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy N1B lahy sy vavy. Efa fantatra avokoa ireo tafakatra hiatrika izany, taorian’ny lalao ampahefa-dalana, omaly. Fifanina­nana tontosaina any Fianarantsoa. Ho an’ny sokajy vehivavy, anisan’ny tafakatra amin’ny manasa-dalana ny ekipan’ny JCBA Analamanga rehefa nanilika ny ekipan’ny Pintade […]

Rugby – “Africa Men’s Sevens”: «Hanome ny fahaizako rehetra aho», hoy i Hugo Manolo

Hifantoka atsy Maurice ny sain’ny mpitia fanatanjahantena rehetra indrindra ny mpankafy rugby. Hanomboka anio ny fiadiana ny “Africa Men’s Sevens” sady hiadiana ny tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 7. Hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Lambour­don­nais Club ao Mau­rice, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny […]

“World Cup 3×3”: Miankina amin’ny mpilalao ny vokatra

Fifaninanana goavana no miandry ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lahy sy vavy, amin’io herinandro ho avy io. Hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, ta­ranja basikety lalaovin’olona telo i Madagasikara, ny 23 hatramin’ny 27 jona izao, any Mongolie. Nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa miankina tanteraka amin’ireo mpilalao ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Niady ny fifandonan’ny ekipa Phoenix Vakinan­karatra sy ny Sepa ABM Boeny, sokajy vehivavy nandritra ny ampahavalon-dalana amin’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1B, tanterahina any Fianarantsoa. Isa 72 no ho 69 no nisarahan’ny roa tonta, nandresy ny Phoenix. Hotontosaina ny 29 jona izao ny fifaninanana “Top Fight”, taranja kick boxing, karakarain’ny […]

Rugby a 7, sokajy lehilahy: Hiady ny tapakilan’ny Mondial ny Makis

Nanainga omaly, hihazo an’i Maurice, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny ady tapakila ho an’ny “Mondial 2026”, taranja rugby, lalaovin’olona 7, lehilahy, ny Makis de Madagascar. 13 ireo mpilalao hanao ka anisany ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay, i Hugo Manolo. Nambaran-dRazily, mpanazatra, fa tsy olom-baovao izy […]