Fanatajahantena

Ramaherison M. Tafitasoa : efa tompondakan’ny “Ile de France”, Judo

Judokas malagasy, mila ravinahitra any Frantsa, Ramaherison Misetra Tafitasoa, vao 11 taona monja. Ao amin’ny Judo Club d’Asnières no misy azy ary mianatra amin’ny kolejy manokana momba ny Judo ao Levallois. Nanomboka nanao Judo i Misetra tamin’ny faha-4 taonany ary efa nisalotra medaly maro. Anisan’ny goavana indrindra ny nahazoany ny […]

« Grand Tournoi Antananarivo » : hifandona ny Elgeco sy ny CFFA

Vita tanteraka izay ny fifanintsanana isam-bondrona ny “Grand Tournoi Antananarivo” izay natao teny Ambohidratrimo. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana indray izao. Hotontosaina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, manomboka ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Araka ny valin’ny antsapaka omaly, teny […]

Federasion’ny Basikety : ho feno ny fandaharam-potoana 2024

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Fotoana nanaovana tatitra ny zava-bita nandritra ny taona 2023 ary fampahafantarana ny fandaharam-potoana ho amin’ny taona hoavy. Araka ny fantatra, ho feno tanteraka izany fandaharam-potoan’ny FMBB izany, amin’io taona 2024 io, […]

Kitra : hiofana ao amin’ny Brest sy Lens ny Me Rôrô

Hanamafy fahaizana any Frantsa, amin’ny fiandohan’ny taona 2024, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ekipa roa ao amin’ny «Ligue 1», no hangalany traikefa, amin’ity. Fantatra izao fa hanainga ary hihazo an’i Frantsa, amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2024, Rako­tondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Araka ny fampitam-baovao […]