Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fivoriambe fanao isan-taona, eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety. Fotoana nanaovana tatitra ny zava-bita nandritra ny taona 2023 ary fampahafantarana ny fandaharam-potoana ho amin’ny taona hoavy. Araka ny fantatra, ho feno tanteraka izany fandaharam-potoan’ny FMBB izany, amin’io taona 2024 io, na ny eto an-toerana na ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hanombohana ny taona, hatao eto Antananarivo ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025, sokajy Seniors, lehilahy, ny 15 hatramin’ny 19 janoary izao. Hitohy amin’ny “FIBA 3×3 Africa Élites Camp” izany, ny 27 janoary hatramin’ny 2 febroary 2024, izay hatao any Tonizia. Hisongadina amin’iny taona ho avy iny koa ny lalao afrikanina hatao any Ghana sy ny lalao olympika hatao any Frantsa. Ho an’ny eto an-toerana kosa, hizotra manomboka ny volana jona 2024 ny fifaninanam-pirenena, hisesy araka ny sokajiny avy. Hitety faritra izany fifaninanam-pirenena izany, araka ny fanazavana. Tsiahivina, ligy 22 no tonga nanatrika ny fivoriambe, izay nahazo fampitaovana avy amin’ny federasiona. Nanamarika ny AG ihany koa ny fandraisana ireo Ankoay 3×3 lahy sy vavy.
Mi.Raz




