Fandresena tokana sy faharesena iray no azon’ny Barea tao Maroc. Resin’ny Kintana maintin’i Ghana 3 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy, omaly. Faharesena indray no azon’ny Barea de Madagascar, omaly, tao amin’ ny kianja Al Hoceima. Nomontsanin’ny Black Star Ghana, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Barea de […]
Fanatajahantena
Baolina kitra – «World Cola PFL» : Mpampidi-baolina be indrindra i Pascal, AS Avenir Ste Anne
Tsy mbola misy ny daty ofisialy mampiseho ny fiverenan’ny fifaninanana nasionaly, “World Cola PFL”, taranja baolina kitra. Raha ny fikarohana natao omaly, mitarika vonjimaika amin’ny mpampidi-baolina betsaka indrindra i Pascal, lohalaharan’ny As Avenir Ste Anne. Tsiahivina fa niatrika lalao efatra ny tenany tamin’ireo andro enina ny fifaninanana efa vita. Marihina […]
Futsal vehivavy – Mada 2025 : Tompondaka ny Disciples Fc Vakinankaratra
Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny taranja baolina kitra anaty efitrano, sokajy vehivavy, ny ekipan’ny Disciples Fc Vakinankaratra, ny sabotsy teo, tany Toamasina. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 1, ny klioban’ny LFC2A Atsimo Atsinanana. Raha hiverenana hofintinina ny fifanandrinan’ny roa tonta, ny ekipa avy ao Antsirabe no nitarika tamin’ny […]
E-Sport: Masoivohon’ny marika Orange i Kimi
Manomboka izao, lasa masoivoho ofisialin’ny marika Orange Madagascar, i Fanomezantsoa Tsiaro, fantatra amin’ny solon’anarana hoe : Tsiaro. Io no fanambarana navoakan’ity orinasam-pifandraisana ity, tao amin’ny tambanjotra seraserany, omaly. Mpilalao mana-talenta ary sangany amin’ny E-sport afrikanina ny tenany. Raha tsiahivina, nandrombaka ny fandresena tamin’ny Swahili E-sport Champion, tany Nairobi Kenya sy ny […]
DAKA AN-JORONY: Toy ny bevohoka mita lakana izao
Velom-bolo indray ny rehetra taorian’ny fandresena azon’ny Barea de Madagascar, ny alarobia lasa teo. Lojika izany satria efa fotoana ela tsy nigoka ny tsiron’izany fandresena izany. Vao dingana anefa no vita fa ny tanjona tsy mbola tratra ka aleo malina tsara. Toy ny bevohoka mita lakana mantsy izao, ka tsy […]




