Niaka-tsehatra voalohany, omaly, ny ekipa malagasy Ankoay, sokajy vehivavy, niatrika ny fifaninanana “Women’s Serie”, taranja basikety 3×3. Fifaninanana tontosaina any Viennes. Ratsy fanombohana ny Malagasy raha ny voka-dalao, omaly. Resin’ny CS Rapid Bucharest tamin’ny isa 21 no ho 8 ny Ankoay, nahitana an’i Muriel, Sydonnie, Christiane ary i Chine. Tsiahivina, […]
Fanatajahantena
“Cosafa 2025” : Hiady ny medaly alimo sisa ny Barea de Madagascar
Nahintsan’i Angola teo amin’ny dingan’ny manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, atao any Afrika Atsimo, ny Barea. Lavo tamin’ny isa 4 no ho 1. Tsy nahovoka! Resy 4 no ho 1 teo anatrehan’i Angola, ny Barea de Madagascar, nandritra ny lalao manasa-dalan’ny “Cosafa 2025”, taranja baolina kitra, izay notontosaina tao amin’ny Kianja Toyata […]
SOMBIM-BAOVAO
Mbola lany fanindroany ho filoha lefitry ny Federasionina iraisam-pirenena, taranja judo indray, Randrianasoloniaiko Siteny. Fifidianana notanterahina tany Budapest, ny alarobia lasa teo, nandritra ny “Congrès ordinaire ” teo anivon’ny IJF. Niatrika izany ihany koa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny judo, i Said Eric Bruno. Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 20 jolay izao, […]
Tenisy – Mada 2026: Hotanterahina ny volana aogositra
Raha tsy misy ny fiovana, hatao amin’ny volana aogositra ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tenisy. Fihaonana karakarain’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT). Hampiantrano izany ny ligin’Antananarivo. Hizara roa miavaka tsara ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity. Hisantatra izany ny sokajy Junior sy ny Vétérans. Hatao ny 6 ka hatramin’ny 10 aogositra […]
Kick-boxing-“Combat Avenir”: Hiditra amin’ny “chapitre V”
Hotanterahina ny 22 jona izao, eny amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Chapitre V” amin’ny fifaninanana “Combat Avenir”, taranja Kick-boxing. Fifaninanana karakarain’ny Lion Force izay efa ahafantarana azy hatramin’izay. Tanjona ny hanome lanja ny taninketsa amin’ny maha “Avenir” ny fifaninanana, kanefa hisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ny ekipa nasionaly mandritra io […]





