Notontosaina ny 8 desambra 2023, tao amin’ny Bataillon Infanterie Antananarivo eny Fiadanana, ny lanonana ara-miaramila fandraisam-pibaikoan’ny kaomandin’ny fari-piarovana sy filaminana Ikopa (ZDS Ikopa). Ny Jly Dera Zafindravolamananarivelo Didier no voatendry ho kaomandy vaovao ny ZDS Ikopa. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Delphin. Nanome […]
Fanatajahantena
CAF Scolaire 2023: Ao amin’ny vondrona B i Madagasikara
Hotanterahina any Harare Zimbabwe, manomboka ny 14 – 16 desambra ho avy izao, ny fifaninanana afrikanina “African School Football Championship”, taranja baolina kitra. Ao anatin’ny vondrona B no misy an’i Madagasikara, araka ny antsapaka natao omaly. Hiady ho lohany amin’izy ireo ao i Afrika Atsimo, Angola, Namibia, Zambia. Marihina fa natokana ho an’ny mpianatra […]
« Grand Tournoi d’Antananarivo »: tafita amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sangany amin’ny OPL
Notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka ny sabotsy sy ny omaly alahady, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ireo ekipa sangany amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus FC, ny Disciples FC, ny Ajesaia sy […]
DAKA AN-JORONY: Tsy marina velively
Nanambara Rakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa diso ny filazana an-gazety fa hisy fihaonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique, eo amin’ny lalao fanomanana amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny « Mondial 2026”. Voalaza tamin’izany fa hotanterahina ny volana janoary, ireo lalao roa ireo. Nanamarika i Me Rôrô fa nisy […]
Fibatana fonjamby-“Iwf grand prix” : niakatra sokajy 49 kg i Rosina, laharana faha-17
Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Qatar, ny fifaninanana “Itw Grand Prix”, taranja fibatana fonjamby. Malagasy mpibata fonjamby roa no nisolotena an’i Madagasikara. Fifaninanana ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana tapakila amin’ny « lalao olympika » ity natrehin-dRandafiarison Rosina sy Andriatsitohaina Tojo, tany Qatar, nanomboka ny 4 desambra lasa teo ity. Izy mianadahy ireo […]