Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny lalao fihantsiana «Real Fight», taranja Kick Boxing, izay karakarain’ny klioba Kick Boxing Avenir (KBA). Lavon’i Jean Zorres, mpikatroka ao amin’ny Cosfa teo amin’ny “5ème Round”, Rakotondrabra Laurent Johnny na i Jonace, mpikatroka AFKM, teo amin’ny fihaonan’ny sokajy «Elite». Resy amboninahitra i Jonace, […]
Fanatajahantena
“Tournoi des 4 Nations” : hanazatra ny Barea U23 indray i Boualem Mankour
Taorian’ny fifanintsanana amin’ny fandraisana anjara ny Can U23, taranja baolina kitra, dia naverina ho mpanazatra ny Barea U23 i Boualem Mankour, teratany frantsay. Araka ny vaovao navoakan’ ny Union des footballeurs internationaux et Cadressportifs Malagasy (Uficasm), omaly, dia hanatanteraka fampivondronana voalohany ho an’ireo zandrikely, any Paris, izy ireo, ny volana Jona. Natao […]
Lalaon’ny Nosy andiany faha-11: nivoaka ny sary famantarana sy ny hira faneva
Ho raikitra ! Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy. Nanatrika izany ny avy amin’ny fitondrana malagasy sy ny avy amin’ny Vaomiera mpanara-maso ny fikarakarana. Nampahafantarina ofisialy, omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, hatao […]
Kitra – « Telma Coupe » : manomboka anio ny fifaninanana
Hotanterahina anio sy rahampitso ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Telma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), ny dingana voalohany na «1er tour préliminaire » no hatao mandritra ny roa andro. Miisa valo ny ekipa avy amin’ny ligin’Analamanga, toy ny Lemuria Sport […]
Rugby vehivavy – “Women’s cup D1”: “Zava-dehibe ny fandresena an’i Kenya”, hoy i Berthin Zoto
Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ny mpankafy ny baolina lavalava, anio sabotsy. Hotanterahina eny an-toerana ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup D1”. Firenena efatra no hiady ho lohany. Anisan’izany ny Makis Ladies, […]