Fanatajahantena

Baolina kitra SOKAJY vehivavy : Tafita amin’ny dingana famaranana ny Askam Afa

Nifarana ny 1 marsa lasa teo, tany amin’ireo faritra telo: Ihosy sy Antsirabe ary Ma­hajanga, ny dingana faharoan’ny fifaninanam-pirenena, sokajy vehivavy, taranja baolina kitra. Anisan’ireo klioba sambany nandray anjara, nefa tafita amin’ny dingana farany, ny Askam Afa Itasy, izay nifaninana tao Antsirabe. Nilaza ny mpanazatra azy ireo, i Manitriniaina Steve […]

SOMBIM-BAOVAO

Hitsara ny lalao hihaonan’i Guinée sy i Somalia, ilay Malagasy mpitsara, Rakotojaona Ando­fetra Avombitana, raha ny vaovao azo omaly. Tsy lalao ara-pirahalahiana akory ity tsarain’ ity Malagasy mpitsara iraisam-pirenena ity, fa fihaonana izay hiadiana ny tapakilan’ny Mondial 2026, izay hatao any Meksika. Vokatra tsara hatreto no azon’ny ekipan’ny GNVB, miatrika […]

Rugby – «Challenger series» : Hidona voalohany amin’ny Makis i Georgie

Efa ao anatin’ny fanomanantena amin’ny fiatrehana ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona 7, ny Makis, amin’izao fotoana izao. Ao amin’ny vondrona “C” i Madagasikara, miaraka amin’i Georgie sy i Allemagne. Tsy niandry ela fa taorian’ny fahavitan’ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny “Challenger se­ries”, natao […]

Kick-Analamanga: Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025

Nanokatra ny taom-pikatrohana 2025 tamin’ny alalan’ny fifaninanana teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny ligin’Analamanga, taranja kick-boxing, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay nahitana mpandray anjara manodidina ny 180. Klioba 27 no nahatonga solontena. Nahafahana nahita ny lentan’ny mpikatroka ny taranja kick-boxing amin’izao fiandohan’ny taona izao ity fifaninanana ity, izay antenaina ny […]