Fanatajahantena

Kitra – Fifanintsanana «Can 2024»: Mpilalao vaovao roa nantsoina hanatevina ny Barea

22 ireo mpilalao nantsoin’ny Me Rôrô, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny lalao hikatrohana amin’ny Palança Negras-n’i Angola, eo amin’ny fifanintsanana ny “Can 2023”. Miisa 2 ireo vaovao hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy. Niantso mpilalao vaovao 2 i Rôrô, mpanazatra ny Barea, amin’ny lalao miverina hifandonana amin’ny Palança Negras-n’i Angola eo amin’ny […]

Filoha Rajoelina Andry: « Tratra ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy ity, voalohany i Madagasikara »

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalaon’ny Nosy 2023.  Tsara ny vokatra ho an’i Madagasikara. Hatao any Comores ny andiany faha-12. “ Tratrantsika ny tanjona tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity, nahazo ny laharana voalohany i Madagasikar.”, hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry Nirina, omaly. […]

Baolina kitra: 30 taona aty aoriana, naverin’ny Barea eto Madagasikara ny volamena

Nofaranan’ny Barea de Madagascar, tao anatin’ny hafaliana ny lalaon’ny Nosy. 30 taona aty aoriana, naverin-dry zalahy eto Madagasikara indray ny medaly volamena eo amin’ity taranja baolina kitra ity. Fony ry Rôrô, mpanazatra ny Barea ankehitriny, no nahazo izany farany ny Malagasy. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny famaranana, natao tetsy […]

Tsy niova hatrany am-boalohany: Nandrombaka medaly volamena 122 i Madagasikara

Fahombiazana ny fandraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy. Afa-po ny vahiny. Tratra ny tanjona ho an’ny mpampiantrano, indrindra ho an’ny Atleta: medaly volamena 122.  Medaly 272 be izao no noraofin’ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ity lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ity. Niakatra 122 ny medaly volamena, raha toa ka 100 ny tamin’ny […]