Fanatajahantena

Kitra : hanoman-tena atsy Afrika Atsimo i Maurice

Nambaran-dRasoanaivo Fidy, ilay Malagasy mpanazatra ny Club M ao Maurice, taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo, nandritra ny fanazarantena notanterahiny tany an-toerana fa handeha hanoman-tena atsy Afrika Atsimo, izy ireo, ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Efa nandefa ny taratasy fangatahan-dalana any amin’ny federasiona maorisianina ny tenany ary […]

Karate – Lalaon’ny Nosy 2023: hahazo valin-kasasarana izay mahazo medaly

Maneho ny fahavononany hanohana ny taranja karate, amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, ireo minisitra mpiahy ity taranja ity. Nampanantena hanome valin-kasasarana ho an’izay mahazo medaly izy ireo. Tonga nitsidika ny ekipam-pirenena malagasy tetsy amin’ny Madagas­car Espace By-pass, omaly, ireo minisitera roa mpiahy ity taranja ity. Nambaran’ny se­kreteram-panjakana miadidy […]

Kitra malagasy : niverina Paris FC i Bôlida

Nantsoin’ny Paris FC klioba frantsay, hanao mpanazatra mpanampin’ny Paris FC, sokajy U-19, i Lalaina Nomenjana­hary na i Bôlida, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, omaly, manana diploma roa izy, dia ny fitantanana ara-panatanjahantena sy ny “Brevet d’Entraîneur de Foot-ball” (BEF). Tsiahivina fa efa tafiditra tao anatin’ny Staff-n’ny ekipam-pirenena […]

Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) 452 ny isan’ireo atleta renione hanafika ny MalagasyLalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : 452 ny isan’ireo atleta renione hanafika ny Malagasy

Matevina ny delegasiona avy atsy La Réunion ho avy eto Madagasikara hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023. Handraisan’izy ireo anjara avokoa ny taranja 19 hifaninanana. 1 volana mialoha ny fa­nombohan’ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ ny Nosy (JIOI 2023) isika, anio. Fihaonana hotantera­hina eto Madagasikara. Nam­baran’ny gazety « Journal de l’ile de […]