Ho fanamarihana ny Andro natokana ho an’ny vehivavy maneran-tany, anio. Hisy ny lalao basikety, 5×5, karakarain’ny ligin’Analamanga, amin’ity zoma 8 marsa ity, eny Ankatso. Hetsika hiarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny vehivavy mpitsara basikety sy ny vehivavy mpanao gazety mpilalao, Journaliste Basketteuse (JOBA). Raha ny fanazavana nomen-dRazafindrabe Ando, mpikarakara omaly, teny Ampefiloha, […]
Fanatajahantena
Karate-Lalao Afrikanina : Votsotra teo am-pelatanan’i Gaëlle ny alimo
Tapitra ny lalan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja karate katà, nandritra ny andiany faha-13 ny “Lalao Afrikanina”, atao any Ghana. Tsy nahazo ny medaly alimo i Gaëlle rehefa resy, nanoloana ilay Egiptiana, omaly. Dingana iray tsy nahatongavana teo amin’ny “podium”, tsy nahafa-bela an-dRakotonindrina Gaëlle Linda, niatrika ny Paruren, katà, taranja karate, omaly. […]
“Moto – 4 Heures Honda” : mpanamory 170 hiady izay ho lohany
Hotontosaina ny sabotsy 9 sy ny alahady 10 marsa ho avy izao, ny “4 Heures Honda” eo amin’ny fifaninanana moto. Io no nambaran’ny federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) sy ny Madauto, tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo, omaly. Hiavaka ity andiany faha-22 ity satria hotontosaina amin’ny “circuit” vaovao ny hazakazaka dia eny […]
Kitra : lasa mpanazatran’ ny CFFA i Hery Be
Nanomboka ny zoma 1 marsa lasa teo, Rabeharisoa Herimanitra (Hery Be) indray no mpanazatran’ ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nandimby an’i Titi Rasoanaivo indray izany ny lehilahy ao anatin’izao fiatrehana ny fifaninanam-pirenena “Pureplay football league (PFL 2024)” izao. Noho ny vokatra ratsy azon’ity ekipan’Andoharanofotsy ity tao anatin’ny andro telo efa tontosa […]
Ping Pong- Lalao Afrikanina : nahazo fandresena roa ny lehilahy malagasy
Niditra an-tsehatra, omaly, ny Malagasy eo amin’ny isan-tarika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra amin’ny lalao Afrikanina any Ghana. Nahazo fandresena roa ny sokajy lehilahy Tsara ny vokatra ho an’ny solontena malagasy, ao anatin’ny andiany faha-13 ny lalao Afrikanina, eo amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lehilahy isan-tarika. Nanao pao-droa […]




