Noho ny fahatrarana ny taom-baovao 2025, tonga niarahaba sy nirary soa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Andriamanampisoa Alfred, tetsy Isoraka, omaly, ny mpilalaon’ny Barea Chan, notarihin’ny mpanazatra, ny Me Rôrô. Nanatanteraka ny adidiny ihany koa ny avy ao amin’ny CFEM niaraka tamin’ny mpitantana azy. Araka ny fikarohana natao […]
Fanatajahantena
“Afrobasket 2025”: Hidona voalohany amin’ny Ankoay i Côte d’Ivoire
Namoaka ny fandaharan-dalao amin’ny fifanintsanana ho an’ny vondrona “D”, hiadian-toerana ho an’ny “Afrobasket 2025” ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), omaly. Fihaonana miverina ho an’ny sokajy lehilahy, tanterahina eto Madagasikara, ny 21 ka hatramin’ny 23 febroary ho avy izao. Fantatra fa hidona voalohany amin’ ny Ankoay ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Nambaran’ny […]
Baolina kitra: Hifandona ny Barea Chan sy ny ekipa PFL
Hotontosaina ny sabotsy 25 janoary ho avy izao, etsy amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao fitsapana farany hihaonan’ny Barea Chan sy ny ekipa voafantin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Efa eto an-tanindrazana Razafindranaivo Koloina na Rakool, ary raha ny vaovao voaray omaly, hanampy ny mpilalaon’ny PFL ny tenany mandritra io […]
« Pureplay Football League » : Hatomboka ny voalohan’ny volana febroary
Tonga nitsidika ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, omaly, tetsy Isoraka, ireo mpikambana maro avy amin’ny CFEM. Taorian’io, nivoaka ny vaovao fa hitohy ny volana febroary ho avy izao ny PFL. Nambara ofisialy teny Isoraka, omaly, fa hanomboka ny 1 – 2 febroary ho avy izao ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fanazarantena sy fiofanana ho an’ny mpanazatra ny eo anivon’ny ligin’Analamangan’ny taranja kung fu, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika izany ny Grand Maitre Avoko. Ny faritra Itasy indray no hisitraka ity fanazarantena sy fiofanana ity amin’ny fotoana manaraka. Hotanterahina ny 25 janoary izao kosa ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, […]





