Fanatajahantena

Lalaon’ny Nosy : nasiam-panamboarana ny kianja Barea sy Alarobia

Mitohy ny fanatsarana sy fanamboarana ny “piste” hihazakazahana ao amin’ny kianja Barea sy Alarobia. Toerana hanaovana ny taranja fototra atletisma, amin’ny lalaon’ny Nosy. Anisan’ny fotodrafitrasa handray ny fifaninanana taranja fototra atletisma amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, ho tanterahina eto Madagasikara, ny kianja Ala­robia. Nanomboka ny fiandohan’ity volana jolay ity, nikatona […]

Lomano-Eran-tany: hiditra an-tsehatra, anio, i Tendrinavalona Idealy

Andro faharoa amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja lomano, dobo filomanosana 50 m, anio, any Fukuoka Japon. Hiditra an-tsehatra anio, eo amin’ny 100 metatra “dos” i Tendrina­valona Idealy, raha toa ka efa nifaninana teo amin’ny 100 metatra “brasse” kosa, Ra­harvel Jonathan, omaly. Laha­rana faha-10 teo amin’ny “série” nisy azy i […]

Basikety-Mada U14 : Tompondaka zazavavy ny Lucadro avy eto amin’ny Faritra Analamanga

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety, ny Lucadro avy eto Analamanga. Tsy mbola fantatra kosa ny tompondaka ho an’ny zazalahy. Norombahan’ny ekipan’Analamanga, ny Lucadro ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy U14 zazavavy, taranja basikety. Resin’izy ireo tamin’ny isa 34 no ho 24 ny ekipan’ny Academics Analamanga, omaly. Laharana fahatelo […]

Barea U20: tsy mandray anjara amin’ny “Lalaon’ny Frankofonia”

Very fanantenana tanteraka ny Malagasy mpitia baolina kitra. Tsy anisan’ireo taranja handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny “lalaon’ny Frankofonia”, izay hotanterahina any Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay- 6 aogositra, ny baolina kitra. Araka izany, mijanona eto an-toerana ny Barea de Madagascar U20. Banga iray izany ny vondrona A misy ny Barea, […]

Rugby- seksiona Avaradrano ; Kandidà roa hifaninana ho filoha

Raha tsy misy ny fiovana, ho tanterahina ny zoma 4 aogositra ho avy izao, ao amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka, ny fifidianana ho filohan’ny seksiona Avaradrano, taranja rugby. Kandidà roa ihany no hany nametraka antontan-taratasy sy nahafeno ny fepetra dia Radimilahy René sy Andrianarivao Sitraka Nantenaina. Notsiahivin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny Malagasy rugby […]